Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE: Niampy vary 13 taonina sy menaka 200 litatra ny vatsy hanampiana ireo traboina


Nanatitra fanampiana ho an’ireo traboina eto Antananarivo renivohitra vokatry ny oramikija tao amin’ny andro maromaro ny Orange Solidarité Madagascar. Vary 13 taonina sy menaka 200 litatra no natolotry ny fikambanana. Teny amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no nanaterana izany ny 26 janoary 2022. Entina hanampiana ireo traboina eny amin’ireo ivon-toerana fandraisana traboina manodidina ny CUA ireto fanomezana ireto. Ankoatra izany, nanome box internet efa misy connexion haingam-pandeha, smartphones ary tolotra mifanaraka amin’izany ho an’ny kaominina ny fikambanana. “Hanamora ny fifandraisana eo amin’ny kaominina sy ireo toerana fandraisana ireo traboina ireto fitaovana ireto”, hoy ny filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja. Nambarany fa olom-pirenena no mivondrona ao amin’ny fikambanana ka manana andraikitra amin’ny mpiara-monina. “Mila mandray andraikitra arak’izay azo atao”, hoy izy.  Nohamafisiny fa mbola vonona ny hanome tanana ny kaominina ny fikambanana amin’ny fanampiana ireo traboina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *