Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE- MEN: Hitombo 20 ny isan’ny sekoly nomerika


Hitovy amin’ny ankizy any ivelany. Tontosa ny 12 oktoba 2020 tetsy Anosy ny fanavaozam-piarahamiasa teo amin’ny Orange Solidarité sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) momban’ny  fandaharan’asa  “fanabeazana nomerika”.  Tao anatin’ny enina  taona nisesy dia niara-niasa akaiky tamin’ny ministera ny Orange Solidarité tamin’ny fametrahana sekoly nomerika amin’ireo sekolim-panjakana manerana an’i Madagasikara. “Sekoly nomerika 136 no vita tao anatin’ny enin-taona ary hitombo 20 izany ho an’ny taom-pianarana 2020-2021.Tanjona ny hanampy ny zanantsika hitovy amin’ny ankizy any ivelany”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Randriambeloma Josie. Raha ny efa fanao hatrizay dia ahitana tablettes 50 isa, casques 50, serveurs Raspberry  02, vidéoprojecteur 01 miaraka amin’ny écran, powerbank… ny “kit numérique” atolotry ny Orange Solidarité isaky ny sekoly. Mahazo fiofanana ny mpampianatra amin’ny fampiasana azy ireo mba ho mora ny fampitàna izany amin’ny mpianatra.

Nambaran’ny ministra Sahondrarimalala Marie Michelle fa ao anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia. “Mifanojo amin’ny politikan’ny ministera ihany koa ny tetikasa sahanin’ny Orange Solidarité satria efa mamolavola contenu pédagogique ny teknisiana ao amin’ny ministera ary ho ampidirina ao anatin’ny “kit numérique”  omen’ny Orange Solidarité izany”, hoy izy.

Nirina R


One comment on “ORANGE SOLIDARITE- MEN: Hitombo 20 ny isan’ny sekoly nomerika

  1. Pingback: ORANGE SOLIDARITE- MEN: Hitombo 20 ny isan’ny sekoly nomerika - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *