Socio-eco

ORANGE SOLIDARITÉ: Mampiseho hatrany ny fahavononana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19


Mpisehatra voalohany mandray anjara mivantana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 ny  mpiasan’ny fahasalamana. Nanolotra fitaovana ho azy ireo ny fikambanana Orange Solidarité ho fanampiana azy ireo hanohy ny asany, ao anatin’ny fanarahana ny fenitra ara-pahasalamana, amin’ny fitsaboana ireo marary sy handresena tanteraka  ity valanaretina ity. Ahitana masques, gants, gels hydroalcooliques, surchaussures, eau de javel, pulvérisateur, tensiomètre, stéthoscope io fanomezana io ary 250 tapitrisa Ariary ny tetibidin’izy rehetra.

Natolotra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny 21 mey 2021 teny Ankorondrano ireo ary ho tsinjaraina amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa amin’ireo ivon-toerana mandray mararin’ny coronavirus (CTC-19), hopitaly eto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa ary Fort-Dauphin.

Hahazo ny anjarany ihany koa ireo ivon-toeram-pitsaboana fototra (CSBII) 130 manerana an’i Madagasikara. Ankoatra izany, ao anatin’ny fampitaovana iatrehana hetsika fanaovam-baksiny ihany koa izao. »Anjara andraikitray ny manampy amin’ny ady atao amin’ny krizy ara-pahasalamana sy voka-dratsy aterik’izany. Mijanona ho mpandray andraikitra hatrany miaraka amin’ny fanjakana malagasy sy ireo mpisehatra voalohany amin’ity ady ity ny Orange Madagasikara », hoy i Michel Degland, tale jeneralin’ny Orange Madagasikara.

Ra-Nirina


One comment on “ORANGE SOLIDARITÉ: Mampiseho hatrany ny fahavononana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19

  1. Pingback: ORANGE SOLIDARITÉ: Mampiseho hatrany ny fahavononana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *