Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 22 jona 2022 ny « maison digitale pour les femmes » tao Fort Dauphin. « Maison digitale » faha-41 amin’ireo namboarina manerana ny faritra 23 izy ity.
Nanamarika ny lanonana fanokanana ny famoahana ny andiany Tsiry. Vehivavy nahazo fiofanana tao amin’ny « maison digitale pour les femmes » ity andiany voalohany nivoaka ity. Noho fanohanan’ny Orange Solidarité Madagascar niaraka tamin’ny fitaleavam-paritrin’ny mponina, ny fikambanana Manarina, ny komitin’ny 8 martsa, ny fikambanan’ny vehivavy mpanao gazety ary sampandraharahan’ny hetra ao amin’ny faritra Anosy no nahafahana nanangana ny foto-drafitrasa. Ho fanomezana fiofanana mandritra fotoana maharitra ho an’ireo vehivavy tsy an’asa sy tsy manana diplaoma ny « maison digitale ». Ao anatin’ireo fiofanana omena azy ireo ny fomba fampiasana ny « internet ». Eo ihany koa ireo rindrambaiko ampiasaina amin’ny sehatrin’ny asa.
Fiofanana mandritra ny fotoam-pialantsasatra
Nandritra ny fandalovan’ny delegasionan’ny Orange tany Fort Dauphin dia notokanana tamin’ny 22 jona 2022 ihany koa ny sekoly nomerika tao an-toerana. Sekoly nomerika faha-173 amin’ireo natao manerana an’i Madagasikara izy ity ary fahaefatra amin’ireo sekoly nomerika napetraka tao amin’ny faritra Anosy. Mpianatra 400 isan-taona no higoka tombontsoa amin’ity fandaharan’asan’ny Orange ity. Nozaraina tamin’io fotoana io ireo fitaovana nomerika ahafahana mampita fahalalana sy ny fandaharam-pianarana amin’ireo mpianatra. Mahazo fiofanana avy amin’ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo an’ny Orange ireo mpampianatra amin’ny fomba fampiasana ireo fitaovana sy hanamora fampitàna izany amin’ny mpianatra. Natao hampihenana ny elanelana amin’ny lafiny nomerika, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary hanampiana mpianatra tsy ankanavaka hahay hikirakira ny nomerika no tanjona amin’ny fandaharan’asa. Raha ny fantatra dia hitohy amin’ny alalan’ny fanomezana fiofanana « SuperCodeurs » ny fanohanana ireo sekoly nomerika mandritra fotoam-pialantsasatra.
Ra-Nirina