Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: Hanampy ny tanora amin’ny famoronana asa ny Fablab eny amin’ny Onivesrsite an’Antananarivo


Betsaka ny tanora mahay kanefa tsy ampy ny sehatra ivelarany. Misy amin’izy ireo no misafidy ny ho any ivelany. Ho fanampiana ny tanora hivelatra haingana amin’ny asa famoronana, hijanonan’izy ireo eto an-toerana hampandroso ny toekarena no antony fiarahamiasa eo amin’ny Oniveriste Antananarivo sy ny Orange Solidarité Madagascar. Tontosa ny 29 septambra 2021 ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta momba ny fametrahana ny FabLab Solidaire eny Ankatso. “Laboratoire manampy ny tanora amin’ny famoronana ny FabLab. Misy fitaovana isan-karazany ho apetraka ao toy ny imprimantes 3D, fraiseuses numériques, découpeuses laser. Ho ampiasain’ny mpianatry ny polytechnique izy ity”, hoy ny filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja. Nambarany fa ahafahana mandroso haingana ny fisian’ny Fablab satria ahafahan’ny tanora, ny tetikasa (startup) mivelatra haingana  ary hitondra fanovàna eo anivon’ny fiarahamonina. “Amin’ny maha incubateur technologique ity laboratoire ity dia mianatra manao tetikasa nomerika ny école polytechnique. Mampihatra ny fahaizana nananany ny mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana vaovao ahafahany mamorona asa, mamorona tetikasa ahitany asa satria mety misy orinasa mety aminy ny fahaizany ilay mpianatra. Ny tena zava-dehibe dia  ny zavatra hainy ny olona any ivelany ho hain’ny mpianatry ny école polytechnique”, hoy ny filohan’ny Oniversite Antananarivo, Ravelomanana Raoul.

Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Orange Solidarité fa sehatra iasan’ny fikambanana ny fanabeazana, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny kolontsaina. Laharam-pamehana ho an’ny fikambanana ny ahafahan’ny rehetra misitraka ny nomerika. Izany indrindra no antony nametrahana ireo “maison digital” manerana an’i Madagasikara, ny sekoly nomerika ary ny “Fablab Solidaire”.  Ao amin’ny ivon-toerana miahy ireo zaza sahirana SOS Village d’Enfants ny FabLab voalohany ary faharoa ity apetraka eny amin’ny Oniversite an’Antananarivo ity. Nilaza Arson Benja fa ratsana ao amin’ny Orange Digital center, eny Andraharo ny foibe, ny FabLab eny amin’ny Oniversite Antananarivo. Manana vinanvina ny fikambanana hametraka Fablab any amin’ny Oniversite Antsiranana sy Fianarantsoa.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *