Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR : Ao Ambositra ny « maison digital » faha 36


Nahazo « maison digital » ireo vehivavy ao Ambositra. Voalohany ao amin’ny kaominin’Ambositra ary faha 36 manerana an’i Madagasikara ity « maison digital » ho an’ny vehivavy ao Ambositra ity. Fiarahamiasan’ny ONG Manarina sy ny Orange solidarité Madagascar no nahavitana izao fotodrafitrasa izao. Iray amin’ny fandaharan’asan’ny « fondation Orange » ny « maison digital » ho an’ny vehivavy. Tanjona amin’izany ny hahafahan’ny vehivavy hikirakira ny resaka nomerika ary ny hahazon’izy ireo mba hisehatra amin’ny fandraharahana. Omena fiofanana ireo vehivavy ao amin’ny kaominina izay tsy andoavam-bola. An-jatony ireo vehivavy hisitraka izao fotodrafitrasa izao ao amin’ny kaominin’Ambositra. Ao anatin’ny fiofanana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fahaiza-mitantana ary ny fikirakirana ireo rindrambaiko isan-karazany. Nandritra izao fitokanana izao no nanoloran’ny fikambanana orange solidarité Madagascar tamin’ny alalan’ny filohany, Benja Arson ireo kits numeriques toy ny tablette, serveur Raspberry, imprimante, video projecteur, cles USB ary ordinateurs portables.

Nanomboka ny taona 2015 ka hatramin’izao dia miisa 36 ireo  « maisons digitals » ary vehivavy arivo no nahazo tombotsoa. Teo ny fanarenana « village orange » Manakanda ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankerana, distrkta Ambohimasoa. Marihana fa anisan’ny ireo voalohany tamin’ireo « village orange » teto Madagasikara ny taona 2014 niatomboan’ny tetikasa. Niarahan’ny orange solidarité Madagascar tamin’ny fikambanana Madamoramora ny nanatontosana an’izany. Tamin’izao fanavaozana izao kosa dia niarahana tamin’ny fikambanana LookGasyAventure nitondra ny hevitra sy fiarahamiasa amin’ny fikambanana  Madamoramora. Ny fanamboarana sy fanarenana kosa dia niantsoroan’ny orange solidarité Madagascar. Nisy ny fanamboarana sekoly vaovao sy fanavaozana ny ireo fitaovana mitondra ny herinaratra isan-karazany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *