Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE MADAGASCAR: 16 miliara Ariary ny vola nampiasaina nanampiana ny mpiara-belona


Feno 10 taona nandraisana anjara tamin’ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-toekarena sy ara-koltoraly ny Orange Solidarité Madagascar. Reny mpiahy ny lanonana fankalazana ny faha-10 taonan’ny fikambanana i Rajoelina Mialy, vadin’ny Prezidan’ny Repoblika.  Nanatrika izany, ny 23 jolay 2021 teny Ankorondrano, ny Ministry ny fanabeazam-pirenena sy ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka. Tontosa tamin’io fotoana io ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny fikambanana teo aloha, Randriambelona Josie sy ny filoha vaovao, Arson Benja. “10 taona nifanome tanana tamin’ny fampiroboroboana  ny lafiny fanabeazana, ny kolontsaina, ny sosialy ary ny toekarena ny Orange Solidarité. 10 taona nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ity firenena mamintsika ity ny fikambanana”, hoy Randriambeloma Josie. Nandray ny anjara tandrify tamin’ny alalan’ny nomerika ity fikambanana mampivondrona ireo mpiasan’ny Orange mpilatsaka an-tsitrapo ity mba hanampiana ireo olona marefo hahazo asa, hisitraka fanabeazana sy fahasalamana. “16 miliara Ariary ny vola nampiasana  tamin’ireo asa sosialy tao anatin’izay fotoana izay. Tamin’ireo vokatra azo ohatra dia  51.000 mahery ny ankizy niditra an-tsekoly”, hoy Arson Benja.

Niara-niasa akaiky tamin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny fikambanana tamin’ny fananganana sekoly nomerika mba ahafahan’ny zaza Malagasy mifehy ny teknolojia ny Orange Solidarité. Teo amin’ny lafiny fahasalamana kosa dia  « centres de maman kangorou » 23 no vita manerana an’i Madagasikara. Vola mitentina 200.000 euros no nampiasaina tamin’ny ady natao tamin’ny Covid-19 teto Madagasikara. Santionany tamin’ny asa vitan’ny fikambanana ihany koa  ny villages Orange 27 ary “maisons digitales” ho an’ny vehivavy miisa 34.

R-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *