Socio-eco

ORANGE SOLIDARITÉ : Faly sy ravo ireo ankizy miisa 1000


Efa ao anatin’ny fanomanana ny fetin’ny Noely isika ankehitriny. Nitondra ny anjara birikiny ny Orange Solidarité ho an’ireo ankizy. Tao anatin’ny telo andro nisesy, niara-nirona nizara hafaliana sy fankaherezana ho an’ireo ankizy marary tsaboina eny amin’ny hopitaly, zaza tra-pahasembanana sy ankizy sahirana ny Orange Solidarité. Ny 18 sy 19 desambra 2019 dia nandalo teny amin’ny hopitaly fitsaboana zaza eny amin’ny CENHOSOA, Befelatanana, HJRA ary akany misahana ny marenina sy Moana (SMM ADSF) ny ekipan’ny Orange Solidarité sy ireo mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny orinasa Orange. Nozaraina boky, vatomamy, « biscuits » sy ny maro hafa ireo ankizy ireo. Ny 20 desambra 2019 indray dia nanolotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny savony, menaka, vary, siramamy ho an’ireo fianakaviana sahirana miisa 350 teny amin’ny fokontany Ankorondrano Atsinanana sy Ankorondrano Andranomahery ny fikambanana. « Vanim-potoana fanamafisana ny fahaizana mizara ny fetin’ny noely sy faran’ny taona ka izany indrindra no mahatonga ny fikambanana manao hetsika tahaka izao isan-taona », hoy ny Filohan’ny Orange Solidarité, Randriambeloma Josie. Raha atambatra dia ankizy 1000 isa no nahazo hafaliana sy fankaherezana avy amin’ny fikambanana amin’izao ankatoky fetin’ny noely sy faran’ny taona izao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *