Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE DE MADAGASCAR : Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny haintrano tao Tamponala Soavinandriana


Nitrangana haintrano goavana tao amin’ny tanànan’i Mahamasina, fokontany Ambohipihaonana kaominina Tamponala, distrikan’ i Soavinandriana Itasy ny 21 oktobra 2021. Trano 96 no may kilan’ny afo. Olona 400 eo no traboina, may avokoa ireo fananana. Nitondra fanampiana ho azy ireo ny orinasa Orange Madagasikara tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité de Madagascar. Nanatitra vary telo (03) taonina, voamaina iray taonina, vilia 400 isa, sotro 400 isa ary kaopy 400 isa ho an’ireo traboina ny delegasiona avy amin’ny fikambanana izay notarihin’ny filohany Arson Benja, ny 01 novambra 2021 tao amin’ny biraon’ny faritra Itasy. Nanatrika ny fanolorana ireto fanomezana ireto ny Governoran’ny faritra Itasy, Harizaka Fiainantsoa Razaiharimalala, ny talemp-paritry ny ministeran’ny mponina ao Itasy, Lalanirina Raherison ary ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Tamponala, Voahanginiaina Chantal. Ny tomponandraikitra voakasik’izany no hanatitra mivantana ireto vatsy ireto any amin’ireo traboina.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *