Socio-eco

ORANGE MIRAY FO: Fianakaviana sy ankizy sahirana ary marary 2.300 hianoka ny fetin’ny noely am-pifaliana


Hetsika fanaon’ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fikambanany ara-tsosialy Orange Solidarité Madagascar (OSM) isan-taona ny “noely firaisankina” na “Noël soildaire”. Nampisalorana ny anarana hoe “Orange Miray fo” izany tamin’ity taona 2022 ity. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 17 desambra 2022 teny amin’ny kianjan’Alarobia ny  andro natokana ho an’ny “noely firaisankina”. Ankizy sahirana  sy tsy manan-kialofana miisa 148, raisin’ny ministeran’ny mponina an-tanana ao amin’ny ivon-toerana roa (02) eto Antananarivo sy ankizy 355 mirenireny eny an-dalambe no niaina tontolo andro feno fifaliana tamin’ny alalan’ny fanentanana, fampisehoana ho an’ny ankizy tamin’io fotoana io.  Raha atambatra dia olona maherin’ny 500 no nanatrika ny fanombohana ny Orange Miray. Nahazo kilalao sy vatomamy ary biscuit  avy amin’ny Orange Solidarité ireo ankizy. Nozaraina harona misy vary, menaka, tsaramaso, “sardine”, paty ary labozia kosa ny olon-dehibe. Nanatrika ny lanonana  sy nizara ireo fanomezana ny Tale jeneralin’ny mponina Rasolondrainibe  Andry, solontenan’ny ministrin’ny mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, ny talen’ny raharaha ara-tsosialy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Dr Raharinandrasana Hajatiana, solontenan’ny Ben’ny tanàna an’Antananarivo Renivohitra ary ny Filohan’ny OSM, Arson Benja. “Mampatsiahy ny fahazazana ny fetin’ny noely. Misy anefa ireo ankizy sy fianakaviana  no sahirana, miaina ao anaty fahoriana.  Natokan’ny Orange Solidarité Madagascar ho firaisam-po sy firaisam-pifaliana amin’izy ireo ity andro androany ity”, hoy i Arson Benja. Hitohy any amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara ny Orange Miray fo ka ireo ankizy sy olon-dehibe eo ambany fiahian’ny ministeran’ny mponina  any amin’ny faritra no hisitraka izany. Raha ny vinavina dia 1.400 no hahazo fanomezana avy amin’ny OSM.  Raha atambatra dia fianakaviana sy ankizy sahirana ary marary 2.300 mahery no hahazo fanomezana mandritra ny “noely firaisankina”

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *