Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Tonga ao Fianarantsoa ny «Internet » haingam-pandeha « Wifiber »


Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Orange Madagascar amin’ny fanapariahana ny « internet » haingam-pandeha « Wifiber ». Tao Fianarantsoa indray no nandalovan’i Frédéric Debord, Tale jeneralin’ny Orange sy ireo mpiara-miasa aminy ny 7 aprily 2022. Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ireo manam-pahefana tao ao an-toerana izy ireo ary nampahafantatra bebe kokoa ny tolotra internet “Wifiber” sy ny tombontsoa azo avy aminy. Misy ny tolotra natao ho an’ny orinasa toy ny “Wifiber Pro”.   Hita ao anatin’izany ny “internet” haingam-pandeha tsy manam-petra ary azo hanaovana antso ary handefasana hafatra (SMS). Misy ihany koa ny tolotra manokana ho an’ny olon-tsotra izay ahafahana manaraka tsy tapaka ireo zava-misy mandeha amin’ny “streaming” sy hakàna haingana ireo “fichier”. Tsiahivina fa renivohitrin’ny divay i Fianarantsoa. Maro ihany koa ny sehatr’asa hita ao an-toerana toy ny fambolena sy ny fanodinana izany ho vokatra hafa, ny indostria, ny famokarana asa tanana. Mampalaza an’i Fianarantsoa ihany koa ny famokarana fiarakodia marika “Karenjy”. Noho izany indrindra no nahatonga ny Orange manaparitaka ny “Wifiber” any satria mety tsara amin’ny fandraharahana sady mamaly ny filàn’ny mpandraharaha sy ny mponina. Nambaran’i Frédéric Debord fa “mihaino hatrany ny hetahetan’ny mpanjifa sy ny mpiara-miasa aminy ny orinasa”. “Eto izahay hamaly ny hetahetan’izy ireo. Ny fametrahana foto-drafitrasam-pifandraisan-davitra, ny fanomezana fitaovana ilain’ny mponina sy ny mpandraharaha ao an-toerana dia manamafy fa manatanteraka ny andaikitray izahay amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy. Ankoatran’i Fianarantsoa dia efa afaka manjifa ny tolotra “Wifiber” ihany koa ny eto Antananarivo, ny any Mahajanga, Toamasina, Nosy Be, Antsirabe, Sambava ary Antsiranana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *