Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Mitondra ny fahaiza-manaony amin’ny ady atao amin’ny katarakta sy fahajambana


Mba hahiratra indray ireo miaina ao anatin’ny fahajambana. Hitombo avo telo heny  ny isan’ireo voan’ny katarakta ho raisina an-tanana vokatry ny fisokafan’ny ivon-toeram-piofanana natokana ho an’ireo mpitsabo momba izany. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Help Me See no nahafahana nanangana azy ity ary noho ny fiarahamiasa teo  Fondation amerikanina Help Me See , ny Polyclinique Ilafy ary ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Notokanana tamin’ny fomba ny 21 septambra 2021 teny Polyclinique Ilafy io ivon-toerana io. Mpitsabo maso 120 no voaofana ao anatin’ny telo taona raha ny vinavina. Ankoatra izany, ao anatin’ny roa herinandro ny mpisehatra iray dia mahavita ny fiofanana raha toa ka heritaona raha manaraka ny fampiofanana mahazatra eny anivon’ny toeram-pandidiana.

Ho fanampiana ireo olona mijaly noho ny katarakta sy ny fahajambana hahita indray  ny tetikasa Help me See. Mitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fampandehanana ity  ivon-toeram-pampiofanana ity ny Orange Madagascar. Hiantoka ny connexion internet ity orinasa misehatra amin’ny fifandraisan-davitra ity mba hanamorana ny fampiofanana, indrindra rehefa ampitain-davitra. Vonona hatrany ny Orange ny hanohana ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fampiasana ny nomerika mba ho maro ireo misitraka ny tolotra ara-pahasalamana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *