Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR – SUPERCODEURS: Ankizy 40 nahazo fanentanana momba ny fikorantanan’ny toetrandro


Noho ny fivorian’ny firenena mikambana (ONU) momba ny toetrandro andiany faha-26 (COP26) atao any Glasgow, nanomboka ny 1 ka hatramin’ny 12 novambra 2021, nikarakara atrikasa #SuperCodeurs nampitondraina ny lohateny hoe « Codons pour la planète » ny Orange Madagascar sy ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement). Ankizy 10 taona no mihoatra miisa 40 no nanatrika ity fiofanana ity teny amin’ny Orange Digital Center Ankorondrano. Fampahafantarana ny ankizy momba ny fikorontanan’ny toetrandro sy ireo tanjona 17 voafaritry tanjona ho an’ny fampandrosoana maharitra (ODD) napetraky ny ONU no tanjona tamin’ny atrikasa. Eo ihany koa ny famporisihana ireo ankizy hitady vahaolana mitondra ainga vao amin’ny alalan’ny nomerika manoloana ireo lokan’ady amin’ny lafiny toetrandro. Nandritra ny tontolo andro, nahazo fiofanana momba ny « langage informatique Scratch »  sy fanentanana momba ny fikorontanan’ny toetrandro ary ny fampandrosoana maharitra niaraka tamin’ny manam-pahaizana avy ao amin’ny PNUD  ireo mpandray anjara. Afaka namorona karazana fanentanana sy lalao amin’ny alalan’ny tetikasa kely ho azy manokana ireo ankizy. Tamin’ity taona ity, firenena 8, toy an’i Madagasikara, Tunisie, Côte d’Ivoire, Maroc, Jordanie, Sénégal, Mali ary Cameroun, amin’ireo tambazotra Orange Digital Center no nandray anjara niaraka tamin’ny fifaninanana #SuperCodeurs « Codons pour la planète » ary nifampizara ireo vokatra azo tamin’izany. Natao ho an’ny ankizy ny fandaharanasa #SuperCodeurs hampianarana azy ireo ny tokony ho fantatra momba ny “codage informatique”. Ny Fondation Orange no misahana ny tetikasa ary tanterahana eny amin’ny Orange Digital Center.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *