Socio-eco

ORANGE MADAGASCAR : Mihoatra 40 % ny fampiasan’ny orinasa ny angovo azo havaozina


Ao anatin’ny vina ara-tontolo iainana « Énergie 2025 » an’ny vondrona Orange ny famaliana 50 % ny filana herinaratra amin’ny alalan’ ny angovo azo havaozina amin’ny taona 2025. Manohy ny ezaka efa vita amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Orange Madagasikara amin’ny alalan’ny fametrahana « panneaux solaires » amin’ireo « sites techniques ». Maro ireo sites techniques no tsy tongan’ny herinaratra na mahazo fa mila vahaolana hafa ny tambazotra amin’ny fotoana ilaina vonjy. Ho fampihenana ny fampiasana groupes électrogènes izay mandeha amin’ny solika izay mamoaka etona manimba ny tontolo iainana dia nandray fepetra maro ny Orange Madagascar, toy ny fampiasana ny panneaux solaires.

Efa mihoatra ny 41 % ny tahan’ny fampiasan’ny Orange eto Madagasikara ny angovo azo havaozina. Izany no mahatonga azy ho anisan’ireo orinasa mpitarika amin’ny fanaparitahana ny « panneaux solaires »  raha amin’ny sehatry fifandraisan-davitra eto Afrika sy Moyen Orient.

Marihina fa « sites télécoms » 5400 no efa nametrahan’ny vondrona Orange panneaux solaires ka nihena 55 tapitrisa litatra isan-taona ny solika ampiasaina.

Ra-Nirina


One comment on “ORANGE MADAGASCAR : Mihoatra 40 % ny fampiasan’ny orinasa ny angovo azo havaozina

  1. Pingback: ORANGE MADAGASCAR : Mihoatra 40 % ny fampiasan’ny orinasa ny angovo azo havaozina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *