Actus

ORANGE MADAGASCAR: Manohana ny fikambanan’ny farmasiana eto Madagasikara


Vita sonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Orange Madagascar sy ny fikambanan’ny farmasianina eto Madagasikara (APM). Efa an-taonany maro ny Orange Madagascar  no namolavola vokatra sy tolotra maro mba hanamora andavanandron’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Izy irery ihany koa no orinasam-pifandraisana maneran-tany manana sampana manokana momba ny fahasalamana. Noho izany indrindra dia vita sonia ny 21 aprily 2022 ny fifanaraham-piarahamiasa eo amin’ny Orange Madagascar sy ny APM . Nanatanteraka izany ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar,  Frédéric Debord sy ny filohan’ny fikambanan’ny farmasianina eto Madagasikara, Hortense Randrianaivo. Ao anatin’ny  RSE (Responsabilité Sociétale d’Entreprise) ity fifanarahana eo amin’ny roatonta ity. Hanohana ny APM araka izany ny Orange Madagascar indrindra eo amin’ny lafiny fifandraisan-davitra izay hanatsara ny fifandraisana. Eo ihany koa ny fanavaozana ny lisitry ny mpikambana ao aminy ary  amin’ny fametrahana ny fitaovam-pifandraisana ao aminy. Hanatanteraka ireo tetikasa misy fiantraikany ara-tsosialy, toy ny fanangonana ireo fanafody tsy lany andro, famatsiam-bola ho an’ny vahoaka amin’ny alalan’ny Orange Money ary ireo tetikasa hafa.

Marihana fa ny taona 1986 no niforona ny APM. Tanjona ny hanohanana ny farmasianina amin’ny fampiroboroboana ny asany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *