Socio-eco

ORANGE FAB: Tosika ho an’ny orinasa vao misandratra


Sehatra iray mampifandray  hampiasain’ny orinasa Orange ny teknolojia hiaka farany, ireo matihanina, mpanjifa manokana na orinasa, fa indrindra ireo mpiara-miombon’antoka na mpampiasa vola te hanampy ireo manana tetikasa (start-up) ny Orange Fab. Tetikasa telo (Greentsika, VanillaPay, Lemuriia ) tamin’ireo 20 nandray anjara no tsara vintana voasafidy hahazo tohana ho an’ny andiany voalohany. Natao hanampiana ireo manana tetikasa ka te hampiroboroboana haingana izany ity fandaharan’asa ity, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra nandritra ny fampahafantarana ny Orange Fab andiany voalohany, ny 6 jona 2019. Mandritra ny enim-bolana dia hahazo  karazana fiofanana hampivoarana haingana ny tetikasany ireo mpitarika “start-ups” voasafidy. Hiara-hiasa sy hanoro-lalana azy ireo ihany koa ireo mpandraharaha ara-toekarena sangany eto amin’izao tontolo izao, manam-pahaizana, mpampiasa vola. Ahafahan’ireo mpitarika ny start-up, miara-miasa miaraka sy hifanankalozan’izy ireo hevitra amin’ireo  mpiara-mpiasa aminy ihany koa ny sehatra “co-working” an’ny Orange.  Nambaran’ny tale jeneralin’ny Orange Madagaiskara, Michel Degland fa manamora ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ny fampiasana ny tekonolojia vaovao sy ny nomerika. Resy lahatra ihany ny tenany fa manan-talenta ny tanora malagasy ary liana amin’ny fandraharahana. “Fanirinay ny ampiasainay ny fitaovana ara-teknolojia rehetra hananan’ny Orange ho fanandratana ireo zava-baovao mahasarika ny ankamaroan’ny olona”.

Marihina fa vahaolana avy amin’ny fanangonana ireo fako misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana ny Greentsika, fomba fandefasana vola amin’ny alalan’ny finday kosa ny VanillaPay ary  fomba famandrihana fiara fitaterana an-tanety ny  Lemuriia

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *