Socio-eco

ORANGE DIGITAL CENTER : Hahazo tombony ireo tsy an’asa sy tsy manana diplaoma


Ho fampananan’asa ny tanora sy fampiroboroboana ny nomerika. Hotokanana tsy ho ela eto Madagasikara ny Orange Digital Center (ODC). Nisy ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Orange sy ny GIZ (Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit), eo ambany fiahian’ny Ministère fédéral allemand de la Coopération économique et du Développement (BMZ) ny volana desambra 2019 momba famatsiambola 30 tapitrisa Euros ho fampiroboroboana ny fampanan’asa ho an’ny tanora, ny fandraharahana sy ny sehatry ny nomerika amin’ny firenena 14 eto amin’ny kontinanta afrikanina sy Moyen-Orient. Ho fampivoarana ny fifehezana ny nomerika ho an’ny tanora miisa 20.000 sy ho famoranan’asa maherin’ny 8000 ity fandaharan’asa “develoPPP.de” any BMZ. Ho fampiharana izany eto Madagasikara dia niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa ny Orange Solidarité Madagascar sy ny GIZ Madagascar amin’ny fametrahana ny Orange Digital Center (ODC).

Ivon-toerana mampivondrona fandaharan’asa  efatra manome fiofanana ho an’ny tanora momba ny nomerika, manohana ireo “start-up” ary manampy amin’ny fitadiavana famatsiambola ny ODC. Hita ao anatin’ny ODC ny sekoly nomerika na ivon-toerana momba ny teknolojia. Malalaka ny fidirana ao aminy ary maimam-poana, mikarakara fiofanana, hetsika sy fanohanana ho an’ireo “développeurs”, “geeks” ary  tompona tetikasa. Eo ihany koa Fablab Solidaire, ivon-toerana ahafahana mamorona amin’ny sehatry ny nomerika amin’ny alalan’ny fitaovana nomerika, misokatra ho an’ny daholobe fa anisany natao ho an’ny tanora tsy manana diplaoma sy tsy an’asa ihany koa izy ity. Ankoatra izany dia hahazo tombontsoa amin’ny alalan’ny ODC ihany koa ireo mpandraharaha noho ny fisian’ny Orange Fab sy ny Orange Digital Ventures Africa satria hanampy azy ireo amin’ny fampiroboroana ny tetikasan’izy ireo sy fahazoana famatsiambola. Ho an’ny Orange Digital Ventures Africa manokana dia manana famatsiambola 50 tapitrisa Euros hamatsiana ireo start-ups amin’ny firenena afrikanina sy faritra Moyen-Orient ity rafitra ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *