Olona telo no voamarina hatramin’izao fa namoy ny ainy vokatry ny rotsak’orana omaly. Ny iray tototry ny tamboho teny Manakamabahiny izay tovovavy kely 14 taona, ny roa kosa nentin’ny rano teny Besarety. Alina ihany dia efa nalain’ny fianakaviany ny razan’ilay ramatoa hita teny Besarety. Androany kosa vao nalain’ny BMH ilay razan’ilay rangahy iray voalaza fa mpitsabo. Mbola nifanjevo tamin’ny fanalana rano tao anaty trano sy ny fivarotana hatrany ny mponina eny an-toerana tamin’ity anio ity hatramin’ny 10 ora maraina.