Socio-eco

OPERATION SMILE TOUR: Hanome fitsaboana feno ho an’ireo olona sima molotra sy vakilanilany amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara


Handalo eto Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa ary Toliara ny fiara mitondra ny ekipan’ny Operation Smile hanatona ireo olona sima molotra sy vakilanilany sy hanome fitsaboana feno ho azy ireo mandritra ny “Operation Smile Tour”. Natomboka omaly 19 novambra 2022 teny amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Ampefiloha ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 29 novambara 2022. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Operation Smile manerantany “Operation Smile Tour”. Hanome fitsaboana maimaim-poana momba ny vava sy ativava, tohana ara-tsaina, tohana ara-tsakafo sy fanampiana ireo marary amin’ny fahaizana miteny  no tanjon’ny hetsika. Marary miisa 160 no hahazo izany. “Hanome fitsaboana feno izahay. Ho an’ireo zaza tsy ampy lanja voalohany indrindra. Mandeha isaky ny faritra izahay  mijery izay zaza sima molotra sy vakilanilany tsy ampy lanja ary omenay izay zavatra ilaina na fampianarana na fanampin-tsakafo. Ho an’ny fitsaboana ny vava sy ny ativava dia mitondra mpitsabo nify izahay  hanala nify na hanadio nify. Hanolotra fitsaboana amin’ny lafiny ara-tsaina ihany koa ho fanarahana ireo Ray aman-dreny sy ny ankizy mila fanampiana”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny Operation Smile eto Madagasikara. Nambarany fa ho an’ireo ankizy misy lavaka ny lanilaniny dia sarotra ho azy ireo ny miteny ka ao anatin’ny fitsaboana omena mandritra ny hetsika ataon’ny ONG ny fanampiana azy ireo hahay hiteny. Natomboka tamin’ny alalan’ny fanomezan-drà tao amin’ny Trano fitehirizan-drà ao amin’ny HJRA ny “Operation Smile Tour”. Kitapon-drà miisa 40 no voaangona. Ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy mpiara-miasa amin’ny ONG no nanome izany. “Manampy ny mpiara-belona, ny mararinay, ny rehetra ny fanomezan-drà”, hoy Rakotomalala Mirana nanazava ny anton’ity fanomezan-drà ity. Manana vina handidy olona sima molotra sy vakilanilany  miisa 15.000 eto Madagasikara ny Operation Smile  ao anatin’ny 10 taona.  Maimaimpoana ny fandidiana fa mila misoratra anarana mialoha.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *