Socio-eco

OPERATION SMILE: Hanome fandidiana maimaim-poana ho an’ny sima molotra sy vakilanilany sy ho an’ireo marary mila fandidiana hafa


Fandidiana mandritra ny 45 minitra dia afaka hanova aingana ny fiainan’ireo olona sima molotra sy vakilanilany, hanampy azy ireo hiaina, hitelina sy hiteny ary hitsiky tsara. Hanolotra fandidiana sy fitsaboana feno ary maimaim-poana ho an’ireo Malagasy manana fahasembanana amin’ny vava sy ativava ny Operation Smile (OS) ho fanamarihana ny fankalazana ny 40 taonany.  Fanamby ho an’ny OS ho an’ny 10 taona manaraka  ny handidy marary sima molotra sy vakilanilany miisa 15.000  sy marary mila fandidiana hafa eto Madagasikara. Nampahafantarina ny  09 novambra 2022 ity hetsika fankalazana ity ka fantatra tamin’izany fa  ankoatra ny fandidiana  dia hanampy ireo marary  hanana ho avy mendrika ihany koa ny  toro-hevitra momba ny sakafo, fikoloana ny ativava, fahaizana miteny  sy ara-tsaina omena azy ireo.  Fanampin’izay dia hanome tohana momba ny fandidiana ireo aretina isan-karazany sy maika toy ny « césarienne, appendicite, hernie sy ny maro hafa  ny Operation Smile ao anatin’izao hetsika fankalazana izao.  “Manana vina hanatsara ny sehatrin’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny fanomezana fandidiana azo antoka izahay.  Mazava ny iraka ho ataonay arak’io vina io.  Noho ny fahaiza-manao hanananay amin’ny fitsaboana ny sima molotra sy vakilanilany  dia handrafitra vahaolana  ahafahana manome fandidiana azo antoka izay tena ilaina  izahay”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny OS eto Madagasikara. Manana vina hampiasa vola mitentina 2 tapitra dolara isan-taona ny ONG ka ny 60 % ny tetibola dia hanomezana fitsaboana feno ho an’ny Malagasy teraka  sima molotra na vakilanilany ary hanatanterahana paikady hampitomboana ny kojakoja sy hanatsarana ny kalitaon’ny fandidiana fototra sy maika eto Madagasikara ny 40 %. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny foto-drafitrasa  eny anivon’ireo hopitaly mpiara-miasa sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana.

Hetsika mandritra ny fankalazana

Maro ireo hetsika ho karakaraina eto Madagasikara mandritra  ny volana  novambra ho fanamarihana ny  fankalazana ny faha-40 taonan’ny Operation Smile. Santionany amin’izany ny  fanokanana ny sampandraharaha fandidiana zaza ao amin’ny hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA) izay nohavaozina tanteraka; ny famelabelaran-kevitra  momba ny fitsaboana; ny diabe ho an’ny fitsaboana ahafahana mitsabo marary miisa 160; ny andro natokana ho an’ny fanomezan-drà ho ataon’ny mpiasan’ny OS, mpilatsaka an-tsitrapo ary ireo mpamatsy vola. Hofaranana  amin’ny alalan’ny hetsika fampihaonana ireo mpiara-miasa isan-tsokajiny, hanomezana azy ireo mari-pankasitrahana noho ny asa vita ny fankalazana. “Ireo hetsika mandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Operation Smile dia manamarika ny fahavonona hiara-hiasa amin’ny sehatra eo anivon’ny governemanta, ratsamangaikan’ny fampianarana, ny mpiasan’ny fahasalamana  sy ireo sehatra hafa mba hanavaozana ny sehatrin’ny fahasalamana  eo  amin’ny lafin’ny fandidiana. Ny fanomezana fiofanana ao anatin’ny fotoana fohy sy mitohy an’ireo mpiasan’ny fahasalamana dia vahaolana maharitra ho an’ny fitsaboana amin’ny resaka fandidiana”, hoy Rakotomalala Mirana, Country Manager ny OS eto Madagasikara. Hanamarika ny hetsika ho an’ny fankalazana noho izany ny fanatanterahana “spot” entina hanaovana fanentanana izay mampiseho ny  asa vitan’ny Operation Smile teto Madagasikara.  Fikambanana iraisam-pirenena ny Operation Smile. Any Etazonia ny foibeny  ary miasa amin’ny firenena 35. Nandritra ny 15 taona izy no niasa teto Madagasikara. Nahafantarana ny ONG  ny fandidiana olona sima molotra sy vakilanilany. Noho ny tambazotra mampivondrona ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa 6000 dia olona 300.000 mahery manerana an’izao tontolo izao no vita fandidiana nanomboka ny 1982. Malagasy 4000 kosa no nisitraka izany. Ankizy ny ankamaroan’izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *