Socio-eco

OPENFLEX: Rindram-baikom-pitantanana orinasa


Miroborobo manaraka ny teknolojia ankehitriny ny fisian’ny rindram-baiko isan-karazany. Mivoatra ny fomba fampiasana ny rindram-baiko amin’ireny orinasa ireny. Mety ho an’ireo orinasa rehetra ny « Openflex » indrindra ho an’ny orinasa madinika sy salatsalany ary ireo orinasa lehibe ihany koa. Miavaka amin’ny rindram-baiko fahita amin’ny fitantanana orinasa izy ity. Amin’ny alalan’ny fomba fitahirizana « Cloud » no anaovana ny fikirakirana azy. Tsy maintsy manana « internet » kosa anefa rehefa ampiasa azy saingy 3G dia efa mety. Voalohany izy eto Madagasikara ary azo antoka ny fampiasana azy. Tsy sahirana intsony noho izany ny orinasa Malagasy amin’ny fomba fitantanana. Eto Madagasikara ny foibeny fa saingy manana rantsa-mangaika any Eroapa, etsy Maorisy ny orinasa afahana manjifa azy. Mitady tanora Malagasy izy ireo amin’ny fampitomboana ny mpiasa ao aminy. Noho izany afaka mametraka ny antonta-taratasy fitadiavan’asa izay liana amin’izany ny tanora mitady asa. Mandray an-jara amin’ny « Salon 3 in one event » izay nanomboka omaly 16 Aogositra 2018 ka hifarana anio Zoma 17 Aogositra 2018 etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *