Sport

OPEN INTERNATIONAL BMOI – MADAUTO : Handrefesana ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpilalao tennis malagasy


Manatsara ny tontolon’ny taranja tennis eto Madagasikara ny fikarakarana fifaninana iraisampirenena. Nanomboka ny taona 2012 no efa nanohana ny « Open International » ny BMOI. Lalao karakarain’ny Country Club miaraka amin’ny ligin’ny tennis Analamanga izy ity. Tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 10 novambra 2019 ny andiany fahafito. Nambaran’ny Filohan’ny Country Club, Rakotonindriana Josoa nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny 31 oktobra 2019 fa atao isan-taona ny Open International mba hampivoarana tennis eto Madagasikara. Manampy amin’ny fandrefesana ny fahaizan’ny mpilalao eto an-toerana ny fifandonana amin’ireo sangany any ivelany, hoy izy. Mampatsiahy ny tale jeneralin’ny BMOI, Merlot Alain fa manohana taranja tennis ny banky izay tantaniny satria mifototra amin’ny fenitra takiana amin’ny mpilalao, ohatra hentitra, marina, manome ny tsara indrindra, ny tolotra omeny ny mpanjifa.

Mpilalao

Ho an’ny sokay tokana, 32 ny mpilalao lehilahy hifaninana ary 16 ny vehivavy. Valo ny lehilahy ho any sokajy ho an’olon-droa ary miisa valo ihany kosa ny vehivavy. Nisy fanomanana ireo mpilalao malagasy ka ireo sangany tamin’ny fifaninanana natao ny volana septambra no nifantenana handray anjara amin’ny Open International. Valo ny lehilahy sangany tamin’ny fifaninanana: Njaka Randriamalala, Tsilavina Joharimboahangy, Max Fontaine, Louis Leccia, Thierry Solofonomenjanahary, Dimitri Rabeson, Evah Angelo Tanjondray, Roméo Rakotomalala Roméo. Efatra ny vehivavy: Miarana Andrianafetra, Fikasana Rakotomalala, Ravaka Ramantoaniana et Fitia Andrianafetra. Hanatevin-daharana ireo mpilalao malagasy hafa toa an’i Miary Zo Rakotondramboa, Tsiorisoa Rakotoarilala, Valentin Jerome, Jean Luc Cirotte (wild cards); Sariaka Radilofe, Iariniaina Tsantaniaina, Miora Andrianatoandro, Fitia Ravoniandro, Safidisoa Nomenjanahary, Miora Raolison (dames), Randy Rakotoarilala, Matina Razafimahefa ( wild cards) izy 12 mianadahy ireto. Ankoatra azy ireo dia nanasa mpilalao malagasy milalao any ivelany ihany koa ny mpikarakara. Amin’ny maha fifaninanana iraisampirenena azy dia nanasa mpilalao sangany avy any Argentine, France, La Réunion ary Italie ihany koa ny Country Club. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra, mitentina 12 tapitrisa Ariary ny loka ho zaraina ho an’ireo mendrika indrindra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *