Socio-eco

ONN: Hamoaka paikady momba fivelaran’ny maha olona i Madagasikara


« 39 % ny fahafahan’ny zaza mivelatra ihany no hananan’ny zaza Malagasy raha tokony ho 100 % », araka ny fanadihadiana natao teto Madagasikara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny ONN (Ofisy nasionaly misahana ny fanjariantsakafo). Nambaran’i Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle fa manana anjara toerana lehibe amin’ny fivelaran’ny harena maha olona na ny « développement du capital humain » ny fanjariantsakafo  ary « rehefa tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ny zaza dia anisany manazava an’ilay 39 % teo fotsiny ny  fahafahan’ilay zaza mivelatra raha tokony ho 100 % ». Zava-dehibe amin’ny fandrosoana maharitra anefa ity « développement du capital humain », « mahatsangy ny hoary » raha adika amin’ny teny malalaka. « Zava-dehibe izany satria manomboka amin’ny zaza dia efa homanina amin’ny atao hoe : fivelarana sy fandrosoana izany ny zaza hatrany am-bohoka mba ahafahana miady amin’ny fahantrana  indrindra ho an’ny firenena toa an’i Madagasikara, mbola tena ambany ny tahany fivelarana izay », hoy izy.

Entina mamaritra ny fivoarana ny maha olona amin’ny lafiny rehetra ny “mahatsangy ny  hoary”. Fototra iaingana amin’izany ny fanjariantsakafo, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fandrindrana ny fianam-pianakaviana, ny fivoarana ara-toekarena. Efa mampihatra azy io ny firenena erantany. Ho an’i Madagasikara manokana dia notanterahana ny 15 jolay 2021 teny Alarobia ny atrikasa hamoahana ny paikady momba  ny fivelaran’ny harena maha olona. « Ity atrikasa androany ity dia entina hanombohana ny asa maro efa vita ary hiditra amin’ny famoahana paikady manerana an’i Madagasikara. Ahoana ny paikady atao ahafahantsika mampivelatra misimisy kokoa an’io capital humain io? Efa vonona tanteraka ny olona hisehatra amin’izany ary izy io dia handraisan’ny sehatra  maro anjara, ny ministera, ny mpiaramiombon’antoka”, hoy hatrany i Profesora Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpandrindra nasionalin’ny ONN. Nilaza izy fa “ho avoaka amin’ny faran’ny volana novambra izao izay paikady izay miaraka amin’ny fomba hanatanterahana izany eo anatrehan’ny sehatra amin’ny fivelarana ny harena maha olona”. Sehatra marolafy no hiara-hiasa amin’izany fa ny ONN no mitarika sy mandrindra.

Lynda A.


One comment on “ONN: Hamoaka paikady momba fivelaran’ny maha olona i Madagasikara

  1. Pingback: ONN: Hamoaka paikady momba fivelaran’ny maha olona i Madagasikara - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *