HPI 1 Socio-eco

ONIVERSITE HPI/UPA-MASCA: Manakaiky ny zanakin’ny tantsaha


Talohany niforonan’ny oniversite HPI/UPA-MASCA efa nisy ny sekoly ambaratonga voalohany, faharoa sy fahatelo ny HPI Masca Sabotsy Namehana. Nanamafy ny firahalahiany niaraka tamin’ireo mpampianatra ao amin’ny sekoly ireo mpampianatry ny oniversite tamin’ny alalan’ny lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona 2018. Ny alarobia 28 martsa 2018 tao amin’ny efitrano malalakin’ny oniversite ihany no nanaovana izany. “Hetsika fanao isan-taona izy ity ho fanentanana ny mpampianatra hanohy ny asany”, hoy hatrany i André Rakotoson.
Ho fanampiana ny mpianatra manana ny diplaoma bakalorea ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana no antony niforonan’ny oniversite HPI/UPA-MASCA Sabotsy Namehana. Mba tsy handehanana lavitra, tsinjovina manokana izy ireo amin’ny fanohizana ny fianarana ambaratonga ambony. Enin-taona izao no nisian’ity ivon-toeram-pampianarana ity. Hamoaka ny andiany faharoa amin’ny mpianatra nahazo ny diplaoma Licence izy amin’ity taona 2018 ity. “Amin’ny volana aprily no vinavinaina hamoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra 60”, hoy ny Tale Jeneraly, André Rakotoson. Nandranto ny lalam-piofanana telo misy ao amin’ny oniversite toy “agronomie”, ny “paramedicaux” ary HPI 2ny “communication” ireto mpianatra ireto.
Mahazo tombony ireo mpianatra mandranto fianarana ao amin’ny oniversite. Ho fanamafisana ny fahaizan’ny mpianatra ao amin’ny “agronomie”, miara-miasa amin’ny SAF FJKM Ambanintsena sy ny teknisiana ao amin’ny orinasa Guanomad ny oniversite. “Isaky ny mahavita taranja iray ireo mpianatra, manao fampiharana avy hatrany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny oniversite, Haingo Vololomboahirana
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *