Socio-eco

ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa


Rakotoson André - HPI-MASCAReharehan’ny sekoly ireo mpianatra nahavita ny fianarany. Tontosa ny 23 desambra 2020 teny Sabotsy Namehana ny famoahana ny andiany TAFARAI (Tambatra-Fanamby-Raitra) ao amin’ny oniversite HPI/MASCA Sabotsy Namehana. 20 mianadahy izy ireo ary notolorana ny mari-pahaizana Licence. Ny lalam-piofanana « communication et multimédia », « agronomie » ary  « Paramédicaux » no nianaran’izy ireo tao amin’ny oniveriste. «Hita fa niezaka ny mpianatra taorian’iny fihibohana iny satria samy nanao izay tratry ny heriny rehefa niverina ny fampianarana », hoy ny Tale jeneralin’ny HPI/MASCA, Rakotoson André.

HPI-MASCA Andiany TAFARAIMampiavaka ny oniversite

 « Ny mpianatry ny oniversite HPI/Masca dia ampianarina hamorona orinasa. Mianatra momba ny famoronana sy fitantanana orinasa ny mpianatra ato”, hoy i Haingo Paradis, tomponandraikitra ao amin’ny oniversite. “Marihina fa misy mpianatra roa sangany reharehan’ny oniversite amin’izao fotoana izao. Ny anankiray any akaikin’i Ambatovy, mamboly tsaramaso amina hektara maro izy ary ny vokatra avy efa misy mandray any ivelany. Ankoatran’izay tsy lasa any dia mitobaka eto amin’ny tsena anatiny”, hoy izy. Ao anatin’izay lalam-piofanana agronomie izay hatrany dia “resaka fiompiana trondro no nataon’ny tovovavy iray vao 23 taonaHaingo Paradis - HPI-MASCA monja nefa manana ny orinasany manokana. Tany amin’ny faritra Itasy izy no nampihatra ny fianarana nataony tato. Efa mamelona tokantrano maro izy ary anisany manampy ireo ankizy sahirana aty amin’ny oniversite ka nanolotra fitaovana maro ho an’ireo mpianatra mila izany”, hoy i Haingo Paradis. Anisany mampiavaka ny oniversite ihany koa ny tsy fandroahana mpianatra rehefa tsy mahaloa ny saram-pianarana. “Miezaka mifampiresaka hatrany satria ny ankamaroan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra dia mpiasa tena avokoa, raha tsy hilaza afa-tsy ireo tantsaha. Misy ireo ray aman-dreny no miteny hoe rehefa miakatra vary vao afaka mandoa écolage. Misy foana ny fifampiraharahana. Ny antony dia amin’ny maha groupe ny Masca dia misy mpiara-miasa maro amin’ny resaka fitantanana. Izahay ihany koa tsy manofa trano tahaka ireo oniversite hafa fa manana ny trano manokana ahafahana manohy ny fianarana”, hoy hatrany ramatoa Haingo Paradis. Ny 11 janoary 2020 ny fidirana manaraka ho an’ny taom-pianarana 2020-2021. Efa misokatra ny fisoratana anarana.

Lynda A.

VIDEO:


One comment on “ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa

  1. Pingback: ONIVERSITE HPI/MASCA SABOTSY NAMEHANA: Manofana ny mpianatra hanangana orinasa - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *