Socio-eco

ONIVERSITE HPI-MASCA: Mpianatra 45 hamorona asa


Tontosa soamantsara ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo tarika indray nihira andiany faha-3 avy ao amin’ny Université polytechnique d’Avarandrano – HPI MASCA. Teny amin’ny foibeny, Sabotsy Namehana, ny 24 mey 2019 ny lanonam-pamoahana. Manana fahazoan-dalana hanofana (habilitation) ireo lalam-piofanana telo: “paramédicaux”, “agronomie” ary “communication et journalisme” ity oniversite tsy miankina ity. Mpianatra 45 avy amin’ireo lalam-piofanana telo ireo izao navoaka tamin’ny fomba ofisialy izao ary nahazo ny mari-pahaizana Licence. nanatrika izany ny solontena avy amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny filohan’ny holafitry ny mampivelona, ny Ben’ny tanana lefitry ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny maro tsy voatanisa. Nampitondraina ny anarana hoe: S.A.N.T.E na Sarobidy ny Aina ka Ndao ho Tohizana ny Ezaka ny andiany amin’ny lalam-piofanana “paramédicaux” izay namoaka mpampivelona sy ny “infirmier”. TAFITA na Tanora Filamatra ho an’ny Tantsaha ho an’ny « agronomie » ary FIFA ho an’ny “communication et journalisme”.

Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny HPI MASCA, Rakotoson André fa natao hanampy ireo mpianatra fa indrindra ireo zanaky ny tantsaha ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy ny distrikan’Avarandrano ny oniversite mba tsy handeha lavitra. Eo ihany koa ny fanomezan-tanana ny mpianatra mba hamorona asa ho an’ny tenany. Teny filamatry ny oniversite rahateo ny hoe: “hianatra mba hamorona asa”. Ho fanamafisana ny fahaizan’ny mpianatra dia mandalo fanazaran’asa ny mpianatra isaky ny taom-pianarana ka any amin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny oniversite isan-tsokajiny izy ireo no manatanteraka izany.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *