Socio-eco

ONIVERSITE GSI: Mamolavola mpianatra hamorona orinasa ho an’ny tenany


Mahaliana mpianatra, ny serasera sy fanaovan-gazety ary ny « multimédia ». Araka ny fanazavan’ny Filoha mpanorina ny GSI, Geremioh Randrianaivo fa tao anatin’ny 16 taona nisian’ny oniversite dia mahasarika ny mpianatra vao afaka bakalorea io lalam-piofanana io satria mbola malalaka ny tsenan’ny asa amin’ireo sehatra ireo. « Anisany manampy mpianatra mivoaka ato aminay ihany koa ny fivelaran’ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka mora ho azy ireo fahitana orinasa hanaovana fanazaran’asa na ahafahana miasa avy hatrany », hoy izy nilaza ny mampiavaka ny GSI. Ankoatra izay, manome ny paikady ahafahan’ny mpianatra hamorona orinasa ho an’ny tenany ihany koa ity oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana ity. « Amin’izao fotoana izao dia misy ny fifaninanana mamorona tetikasa (start-up) ho an’ny mpianatra. Ho lazaina miandalana eo ihany ny tohiny fifaninanana », hoy hatrany izy nandritra ny anterivava natao azy teny amin’ny « salon des études supérieures », ny 08 novambra 2019 teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nohamafisin’ny filohan’ny GSI fa efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana 2020. Tsara ny mampatsiahy fa mbola mijanona ho fito hatreto ny lalam-piofanana hita ao amin’ny oniversite :  » communication, journalisme et audiovisuelle », « informatique de gestion », « management des affaires et gestion PME », « génie du BTP et architecture », « paramédicaux », tourisme voyage et hôtellerie ».

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *