Socio-eco

ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka


Na dia teo aza ny fihibohana noho ny Covid-19 dia niezaka ny ESTIIM nahatafita ny mpianatra ity onveriste tsy miankina amin’ny fanjakana ity. Mpianatra 106 indray no navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny 23 desambra 2020 teny amin’ny CCI Ivato. Nahazo ny diplaoma BAC + na DTS, Licence, Master I sy Master II ireto andiany “Mandresy” ireto. Avy ao amin’ny lalam-piofanana fito misy ao amin’ny ESTIIM izy ireo: Interprétariat, diplomatie et sciences politiques, Administration et managment, Commerce et marketing, Communication, Tourisme, hôtellerie, environnement, Informatique ary ny Droit. Araka ny fanazavan’ny tale mpitantana ny oniversite fa ireo nahazo ny mari-pahaizana Master I na BAC + 4 no betsaka indrindra tamin’ireto andiany faha-15 ireto.

Lalam-piofanana mahaliana ny mpianatra

 «18 taona no nisian’ny ESTIIM. Ny azo  tsapain-tanana  hatramin’izay dia ny 80 % ny mpianatra mivoaka ato no tafiditra avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. Betsaka no mbola manohy ny fianarany any ivelany na eto an-toerana. Ny orinasa mandray ny ESTIIM, raha natao ny tombana dia matetika eny amin’ny sehatry ny fanjakana, mpiasam-panjakana matetika, noho ilay fampianarana, ny vocation ny mpianatra tsirairay.  Izany tsy midika hoe ny orinasa privé tsy mandray fa be dia be no mandray, be dia be ihany koa no mamorona asa”, hoy hatrany i Andrianadison. Nambarany fa miovaova ny isan-taona ny mpianatra mivoaka isaky ny lalam-piofanana fa tamin’ity taona ity dia avy ao amin’ny lalam-piofanana fizahantany no tena betsaka. “Ho an’ireo vao hiditra taona voalohany rehefa natao ny kajy tsotsotra dia mbola ny filière tourisme no betsaka. Izay ilay vocation kanefa ny sehatry ny fizahantany no tena mitotongana indrindra noho ny covid fa ny mpianatra  mahita  fa mbola misy lalana azo aleha, misy sehatr’asa azo foronona dia mihazakazaka mankany izy ireo”. Anisany mahasarika mpianatra ihany koa ny lalam-piofanana lalàna sy fitantanana satria “ matetika mitarika any amin’ny asam-panjakana. Ny Interprétariat, diplomatie et sciences politiques no hitanay vitsivitsy, angamba no fahitana ny zava-misy ara-politika ankehitriny na noho ny tsy fahafantarana ny tokony ao anatin’ny sciences politiques”.

Fanampiana ny ray aman-dreny

Anisany fanampiana tena lehibe omen’ny oniversite ESTIIM ny fanampiana ireo ankizy vao afaka bakalorea avy ao amin’ny akan’ny marenina (AKAMA).  “Nanomboka tamin’ny heritaona izahay nandray  ny mpianatry ny AKAMA miisa 11. Ny lalam-piofanana informatique no nianaran’izy ireo ary  efa taona faharoa izy ireo amin’izao. Tamin’ny ity taona ity  dia nisy dimy indray vao afaka bakalorea dia ho raisinay ry zareo. Ny ampahatelon’ny saram-pianarana no aloan’izy ireo, ny akany ihany no miantoka izany”, hoy ny tale mpitantana ny ESTIIM. Ankoatra izany dia mijery ireo mpianatra mila fanampiana ity oniveriste tsy miankina ity.  Ao no “mahazo ny saram-pianarana tsy aloa, toy ny kamboty na  sahirana ara-pivelomana”. Manana bourse de mérite ho an’ireo vao afaka bakalorea teo ka nahazo “mention” ihany koa ny oniversite. “Tsy mandoa écolage amin’ny taona voalohany izy ireo ary raha tafiditra ao anatin’ny mendrika indray izy amin’ny taona faharoa dia mbola tsy mandoa écolage. Anisany fanampiana ny ray aman-dreny izany”.

Nirina R.


One comment on “ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka

  1. Pingback: ONIVERSITE ESTIIM: Tafiditra amin’ny sehatry ny asa ny 80 % ny mpianatra mivoaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *