Socio-eco

ONIVERSITE ESTIIM’: Manome fiofanana ho an’ireo tra-pahasembanana (marenina)


Hisantatra izany ireo tanora vao afaka fanadinana bakalorea avy ao amin’ny AKAMA. Mitombo 100 indray ireo tanora vonona hiatrika ny tontolon’ny asa. Mpianatra nandranto fianarana tao amin’ny oniversite ESTIIM’ izy ireo. Ny sabotsy 11 janoary 2020 teny amin’ny CCI Ivato no namoahana ity andiany faha-15 ity. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny ESTIIM’, Andrianadison fa samy namoahana mpianatra avokoa ireo lalam-piofanana enina misy ao amin’ny oniversite (Droit; Administration Managment; Commerce et Marketing ; Interprétariat, diplomatie et sciences politiques ; tourisme, hôtellerie et environnement ; Informatique).

ONIVERSITE ESTIIM'Raha ny tarehimarika nomeny nandritra ny famoahana ny andiany FANAJA dia 25 ny mpianatra nahazo ny diplaoma DTS (Bac + 2), 30 Licence, 25 Master I ary 20 Master II. Ankoatra izany dia nampahafantarina tamin’io fotoana io ny fandraisan’ny oniversite ireo tanora tra-pahasembanana (marenina), miisa fito,vao afaka bakalorea. Nambaran’i Andrianadison fa tsy misy mihitsy fianarana ambaratonga ambony ho an’ny olona tra-pahasembanana.  » Mijanona eo aminy BAC izy ireo, na manaraka fiofanana arak’asa na avy hatrany dia miasa kanefa betsaka amin’ireny no manana hetaheta hanohy ny fianarany eny amin’ny oniversite », hoy izy. Anisany antony handraisan’ny ESTIIM’ azy fito mianadahy ihany ny fananan’ny oniversite traikefa noho ny fiarahamiasa tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra marenina. « Efa ela izahay no niara-niasa tamin’ireo akany fitaizana marenina toy ny AKAMA ». « Mieritreritra ihany  koa izahay fa manana ny anjara toerany ny marenina amin’ny lafiny ara-tsosialy sy arak’asa ka adidinay ny manome fiofanana azy ireo », hoy hatrany fanazavan’ny tale jeneraly. Ny lalam-piofanana informatique no hanombohana ny fampiofanana ireto tra-pahasembanana ireto ary misy ny tolotra manokana ho azy ireo amin’ny lafiny saram-pianarana.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *