De-Lire

ONG NY FANAHY MAHA-OLONA : Soso-kevitra ho an’ny bèn’ny tanana sy ny fanjakana.


Ny ONG Ny Fanahy Maha-Olona tarihan’i Ny Rado RAFALIMANANA , manao izao soso-kevitra izao ho an’ny Ben’ny tananan’Antananarivo renivohitra sy ny fanjakana hanadiovana ny tanana. Tsara raha manokana andro iray tsy iasana anaovana izany. Ohatra ny 08 Janoary 2016.

Koa hentanintsika:

  • Ny mponina rehetra hiaraka hanadio ny tanana ary hifanome tanana amin’ny fanalana ny Fako. Hiaraka isika handray kifafa, angady, borety ary ataontsika ampitiavana sy ampitsikina izany.
  • Ny Miaramila (Genie Militaire) kosa no hangatahana hanefa ny fitaomana no izy ireo manana fitaovana;
  • Ny Orinasa eto Antananarivo samy handray andraikitra ny fifidianana ny Solika.
  • Ny Croix rouge mikarakara ireo fianakaviana sahirana noho ny Fako
  • Ny skotisma manampy ny fandaminana
  • Ny Mpitandro ny filaminana, manao tana-maro miaraka ny vahoaka;
  • Ny Mpamonjy Vona (Pompier) manasa ny toerana voadio
  • Ny BMH manisy ny fanofody DTT
  • Ny Fikambanana rehetra tsy miankina mivimbina sy mizara Rano sy sakafo ho an ny rehetra
  • Ny mpanao politika tsy ankanavaka, miaraka manadio amin ny mponina
  • Ny Fiadidian ‘ ny Tanana Antananarivo CUA , Mandoko ny toerana voadio, mametraka ny dabam-pako vaovao
  • Ny Fanjakana mahefa, mitondra ny Mpiadidim-pokonolona isan-tsokajiny rehetra miasa eto Antananarivo miaraka midina manadio miaraka ny vahoaka sy ny Ministera iasan’izy ireo.
  • Ny Malagasy any andilam-bato (Diaspora) dia manao ny tsipaipaika hividianana ny fitaovana (kifafa, pelle, angady, borety, sobika,…)

Raiso fa adidintsika izany fa adinoy ny faniliana andraikitra. Aleo isika tsy ho variana hoe iza no diso fa handao aloha diovina ny Antananarivontsika. « Mba ho iray ihany isika rehetra ».

Tsy mila vola aman-karena (miliara) izany tompoko fa fitiavan-tanindrazana tsotra fotsiny.
Na ny tenako aty Dubai aza ho avy hanadio raha manaiky ireo mpiadidy ireo.

Ny Fanahy Maha-Olona, ny hery tsy mahaleo ny fanahy.

Ny Rado Rafalimanana


3 comments on “ONG NY FANAHY MAHA-OLONA : Soso-kevitra ho an’ny bèn’ny tanana sy ny fanjakana.

  1. William Randrianantenaina

    Miarahaba anao Andriamatoa Ny Rado Rafalimanana

    Faly ny tenako raha nandre fa misy Malagasy manana ny maha izy azy ary manana fahalalana amin’ny lafiny maro no niresaka tamin’ny Radio antsiva ny 25 janoary 2018 lasa teo nandritra ny fandalovako teto Antananrivo nahalatsahan’ny tavoniko, marihiko fa aty amin’ny Faritra NOSY BE HELL VILLE izaho no miasa.
    Liana be aho amin’ny fanazavana ataonao mikasika ny fanampiana ny tanora ka mba te halala bebekokoa aho amin’izay fanampiana ataonao satria tanora vonona ihezaka ny hanana fiainana tsaratsara ny tenako ary vonona ny hiasa mafy ka ahazo vokatra be.
    Maro ny faniriana koa manantena ny fiarahamiasa aminao mba ialana amin’izao fahasairanana izao.
    Misaotra mialoha tompoko ary mba te hifandray aminao ao anaty ny ONG.

    Randrianantenaina William Michel

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *