Socio-eco

ONG MEDAIR: Fomba tsotra nefa manavotra aina ny fanomezan-drà


Nanombohan’ny ONG Medair ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous » ny fanomezan-drà. Ny tontolo andron’ny 11 jona 2019 teny amin’ny trano fitehirizan-drà HJRA Anosy no nanatanterahin’ny ekipan’ny ONG sy ireo mpiara-miasa aminy ary ireo mpanohana ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous » izany. Manentana ny olom-pirenena hanome rà maimaim-poana ny ONG. « Azo atao amin’ny alalan’ny fomba tsotra, tsy mandany vola nefa mamonjy aina ny fanomezan-drà, hoy ny talem-pirenen’ny ONG Medair eto Madagasikara.

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Medair ity hetsika ity fanomezan-drà ity, araka fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera, Rakotomavo Chrystelle. Ankoatra fanatanterahana hetsika maro samihafa mandritra ireo andro manerantany momba ny fanampiana ny maha olona dia manana vina hanamboatra foto-drafitr’asa toy trano fonenana ho an’ireo traboina any Avaratry ny Nosy noho ny loza voajanahary sy fanamboarana tobin-drano any Atsimo ny Medair.

Ny fanentanana ny daholobe ny tranga momba maha olona eto Madagasikara, ny famohazana ny fahatongavan-tsaina fa manana anjara andraikitra ny tsirairay amin’ny fanampiana ny maha olona, ny fanatevenana ny kitapom-bola hanatanterahana ny asa no tanjon’ny ONG mandritra ny taona 2019. Tsara ho fantatra fa ONG iraisampirenena miasa amin’ireo firenena misy ady, marefo amin’ny loza voajanahary sy ny valan’aretina ary miezaka mampihena ny fahorian’ireo traboina ny Medair.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *