Socio-eco

ONG MEDAIR: Andao hanavotra an’i Tsiveregna


Sarobidy ny olombelona tsirairay ho an’ny ONG Medair. Nampahafantarina ny 23 mey 2019 teny Antaninarenina ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous » ho tanterahin’ ity ONG iraisampirenena ity ho famonjena ireo Malagasy tafalatsaka ao anatin’ny fahasahiranana sy marefo noho ny loza voanjanahary. Asa vonjy taitra sy fanampiana ireo mponina marefo sy traboina noho loza voajanahary no ho tanterahana’ny ONG Medair mandritra ny hetsika. Hiompana amin’ny sehatry ny rano fisotro madio, fahadiovana sy fidiovana, sakafo sy fahasalamana izany asa izany. Noho izany, hisy ny fanamboarana foto-drafitr’asa toy trano fonenana, lavan-drano… Malagasy 35.000 no mpahazo tombontsoa  ka ny faritra Atsimo sy Avaratra Atsinanana no voakasiky ny tetikasa.

 Ankoatra izany dia hetsika maro no ataon’ny Medair, mandritra ireo andro manerantany mifandraika amin’ny fanampiana ny maha olona amin’ ity taona 2019 ity. Hetsika fanomezan-drà no hanamarihan’ny ONG Medair ny andro manerantany ho an’ny fanomezan-drà ka ny 11 ka hatramin’ny 14 jona no hanaovana izany eny trano fitahirizan-drà. Ny volana aogositra kosa indray dia ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo nanana risi-po, sahy namonjy aina no hanamarihana andro manerantany ho an’ny fanampiana ny maha olona. Santionany amin’ireo hetsika ho tanterahina mandritra ny tetikasa « réveillons l’humani-terrien en nous » ireo voalaza ireo. Fa ny hetsika fitadiavambola ho famonjena an’i Tsiveregna no hamaranana ny tetikasa amin’ny volana desambra. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Medair, Rakotomavo Chrystelle dia hentina hanamboarana fatsakana ho an’i toeram-ponenan’i Tsiveregna,  zanak’Androy izay ranompotaka no rano fisotrony amin’izao fotoana izao ny vola voaangona amin’ny alalan’ny Mvola (0346422226).

Ho fampahafantarana ny krizy ateraky loza voanjanahary sy fanentanana ny malagasy mpiray tanindrazana zava-dehibe ny fanampiana ny mpiarabelona, ho famohazana ny fahatsiarovantenan’ny olompirenena, ny fiarahamonina, ny orinasa fa manana andraikitra amin’ny famonjena ny hafa izy ary ho fampahafantarana ny asan’ny Medair eto Madagasikara no tanjon’ity tetikasa ity. Nomarihan’ny tomponandraikitra fa ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny Medair ny hetsika « réveillons l’humani-terrien en nous » raha toa ka 17 taona izy no niasa teto Madagasikara.

Lynda A/ Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *