Socio-eco

OLONDIA CORPORATION: Miaro ny mpiray tanindrazana tsy ho tratry ny coronavirus


Miainga amin’ny tsirairay ny hahafohy na hampiitatra ny fihibohana. Fihetsika tsotra kanefa mahaavotra ain’olona marobe ny fijanonana ao an-tokantrano. Ho an’ireo tsy maintsy mivoaka ny trano, manohy ny fitadiavana dia zava-dehibe ny fiarovan-tena.

Ho fitsinjovana ny mpiara-belona ny tsy hiparitahan’ny Coronavirus sy ho fiarovana ny fahasalaman’ny mpiasa dia nozaraina aro vava (cache bouche) ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Olondia Corporation. Izao no natao dia ho mariky ny fifanomezan-tanana amin’ny fanafohezana ny fotoam-pihibohana sy famongorana ny tsimokaretina COVID 19 eto Madagasikara ka hiverina amin’ny laoniny andavanandron’ny Malagasy.

Izahay ekipan’ny orinasan-tserasera mivondrona ao amin’ny Olondia Corporation izay ahitana ny gazety an-tsoratra Marikoditra sy Sékré Détà; ny “presse en ligne” www.deliremadagascar.com, www.journalmadagascar.com, ny www.canalnewsmadagascar.com ary ny ekipan’ny IkalaPeta Company dia manamafy fa ny fijanonana ao an-trano no lalana manitsy ahafahana miaro ny tenanao sy ny hafa.

Fiaraha-miasa amin’ny mpanao asatanana tena matihanina IRAY no nahavitàna sy nahitana ny « kasy bosy » toy izao… Mbola afaka mandray tsara ireo kômandy samihafa izy ireo raha ny fanazavana nentiny. Manaraka tsara ny « norme » ireo fitaovana ireo, ary ao anatin’ny tapak’andro dia aterina any amin’ny mila izany ny fitaovana…Mila miantso ity nomerao ity izay mila fanazavana sy te-hamandrika 034 06 241 38

Tsara ihany koa ny manamarika fa efa nodihina ihany koa ny kalitao-n’ny asa mba hifanaraka amin’ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy ifamitahana ny asa toy itony , hoy ny fanazavana, fa efa nojerena sy nakàna fepetra mifanaraka amin’izany ny akora fototra ampiasaina…

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *