Socio-eco

Olompirenena miantso izay vonona sy vanona: Endriky ny horonan-tsary « Gisa mainty » ve ?


« Tsy hipetra-potsiny izahay olompirenena amin’izao ataon’ny mpanao politika eo amin’ny fitondrana na ny mpanao politika mpanohitra izao. Rehefa misy ny olana politika hatrizay dia vahaolana politika hatrany no natao kanefa tsy nitondra ny firenena nankany amin’ny fandrosoana sy ny filaminana izany. Ny tombotsoan’ny kandidany sy ny antokony hatrany no ataon’ny mpanao politika fa tsy ny an’ny vahoaka maro anisa», hoy ireto olompirenena dimy  izay fantantra amin’ny sehatra nisy azy avy ary sahy nijoro teto amin’ny firenena, Ndranto Razakamanarina, Francis Razafiarison, Faniry Erinaivo, Mamitiana Razafimandimby ary Rado Rabarilala.

Miantso ny olompirenena mandray andraikitra sy izay mahatsapa tena fa manana andraikitra amin’ny fiainam-pirenena izy ireo hiaraka aminy. Olompirenena vonona sy vanona no ilaina amin’izany. Efa manana tetik’ady amin’izany  ireo olompirenena ireto izay ho fantatra tsy ho ela. Tsy mahatoky ny mpanao politika intsony araka izany ny olompirenena. Miraviravy tanana sy tsy mandray ny andraikiny manoloana ny fiainam-pirenena ny maro an’isa.

Noraisina izao noho ny fiverimberenan’ny krizy, izay fantatra fa  misy ny tsimatimanota satria tsy mipetraka tsara ny tany tan-dalàna, tsy nomena hasiny ny mpanelanelana . Mihitsoka tanteraka ny fiainam-pirenena, hoy izy ireo. Tsy lazaina intsony ny fisian’ny kolikoly izay miha-mahazo vahana noho ny tsy fahaiza-mitanatana ataon’ny mpitondra. Eo ihany koa ny fanangonan-karena amin’ny tsy rariny miteraka fahatrana mangitsokitsoka ho an’ny maro an’isa.

«  Hatramizao tsy mbola misy ny vahaolana hitan’ireo mpanao politika afa-tsy ny fizaran-tseza. Na iza na iza mbola mieritreritra hanohy sy hamerina ireo zavatra efa tsy mety ireo, tsy hanaiky intsony isika » hoy hatrany izy ireo. Ny alahady 20 Mey 2018 no nanambaran’izy ireo izany teny amin’ny Relais de la haute ville.

Hirona any amin’ny endriky ny horonan-tsary « Gisa mainty »  ve ny tetikady ataon’ireto olompirenena ireto? Ireto ve izany ilay atao hoe « olompirenena mangina »? Kanefa hita niteny teny rehetra teny ihany ny sasany .

Nirina R.

Horonantsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *