politique

OLOM-PANJAKANA SY FAMPIELEZAN-KEVITRA: Voasazy na dia manotrona fotsiny aza


Ankoatra ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidà amin’ny faritra nahatrarana olom-panjakana mampifidy kandidà dia mety hiafara amin’ny fandoavana lamandy roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa miliara ariary miampy sazy an-tranomaizina roa ka hatramin’ny dimy taona ny fampiasana ny fitaovam-panjakana na fampandaniana kandidà ataon’ny mpiasam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra. Hita ao amin’ny lalàna momba ny fifidianana 2018-008, manomboka eo amin’ny andininy faha-118 ka hatramin’ny 236 izany. Nampatsiahy izany ny ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa tamin’ny fiandohan’ny fampielezan-kevitra ny 8 oktobra 2018 ary nanamafy ihany koa izy fa na manotrona ny kandidà manao propagandy aza dia efa mandika izany lalàna izany. Tafiditra ao anatin’ireo olom-panjakana ny “préfet”, ny lehiben’ny distrika, delege…

Manankery hatrany ny fangatahana fahazoan-dalana hamory olona mandritra ny propangady. Tsy maintsy manao fangatahana 48 ora mialoha ny hetsika ny kandidà na ny solontenany. Eny anivon’ny prefektiora no hanaovana izany. Raha mitarika fanohintohinana ny famoriam-bahoaka ataon’ny kandidà dia azon’ny solotenam-panjakana ny tsy manome alalana hamory vahoaka. Manao antso avo ny solotenam-panjakana ihany koa ny ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana fa tsy tokony hitongilana na hiandany amin’ny kandidà ny solontenam-panjakana amin’ny fanomezana alalana.  Manana andraikitra amin’ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fampielezan-kevitra ihany koa ny solontenam-panjakana amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny mpitandro filaminana.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *