Socio-eco

NY RADO RAFALIMANANA : Hanampy ny tanora manana tetikasa


« Tsy ho mpiasan’olona intsony ny tanora fa hanorina orinasa ho azy manokana ». Hametraka famatsiam-bola ho an’ny tanora Malagasy manana tetikasa izay tsy mandalo fanjakana i Ny Rado Rafalimanana sy ireo mpiara-miombon’antoka miaraka aminy. Ampiana ireo tanora manana tetik’asa mba hamorina orinasa ho azy, hoy izy. Lazaina hatrany fa tanora no ho avin’i Madagasikara fa saingy indrisy ny fanjakana Malagasy tsy manome sehatra ho azy ireo. Tokony hofanina ny tanora hanangana orinasa ary tohanan’ny fanjakana amin’ny lafiny rehetra , toy ny eo amin’ny ara-bola, tany hanorenany ny orinasany… Azon’ny fanjakana atao noho izany ny mampindram-bola azy ireo amin’ny tetikasany ka tsy asiana zanany izany, hoy hatrany izy. Nokianiny ny fisian’ny fandraisana tanora hiasa amin’ireny « Call center » ireny . Vazaha avokoa no tompon’ireny ary mahatsapa izy fa fanandevozana moderina ny fisian’izany. Tokony ny tanora no manangana fa ny vahiny no manosika aty aorina. Mety ho vitany tokoa ve izany fanampiana ny tanora amin’ny sehatry ny famoronana orinasa izany raha tsy eo amin’ny fitondrana ny tenany?

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *