Edito

Ny politika dia politika : Ny fahoriana kosa iombonana


Maty tsy hiverina intsony ny Profesora Zafy Albert…Lasa any Rome-Italie  hikaroka ny mahasoa kokoa ny firenena ny Prezidà Rajaonarimampianina…Nakatona ny ozinina AAA-Tiko an-dRavalomanana fa misy ny fifandroritana amin’ny fanjakana… Lany ho filoha mpitarika ilay antsoina hoe : rafitra hanao ny fampihavanam-pirenena i Maka Alphonse…Nahazo talé Jeneraly vaovao ilay kaompania « menavody » an’ny fanjakana…

Ny olompirenena tsotra dia miaina anaty tsy fandriampahalemana satria zaza tsy ampy taona no nogiazana amponja noho ny hadalana nataon’izy ireo…lasa mpamono olona ny ankizy kely…Ny aretina pesta dia mbola ifanazavana etsy sy eroa ny fanetanana, ary samy manana ny heviny…Ifampisintonana eraky ny elakelan-trano ny faty…Mbola tsy mianatra ny mpiantra amin’ireo Cisco maro eto amintsika…Mbola hanohy ny fitokonany ny SMM (ireo mpitsara) na dia hiasa amin’izay aza ny SGM (ireo mpiraki-draharahan’ny fitsarana)…Valalanina amin’ny halafon’ny « asa fambolena » ny tantsaha na dia efa nisy ampahany aza ny oran-ko ritra…

Tsy faly sady tsy tezitra ny FMI raha nanao ny tatitra ny fandalovany teto amintsika…Manolotolotra fitaovana maro samihafa ho an’ny fahasalamana sy ny fiainana amin’ny ankapoben’ny mponina na ny Sinoa , na ny Amerikana…
Tsotra ny resaka : Ny Malagasy amin’ny ankapobeny dia toy ny angamenavava ka samy mitsilotsilo ny alehany, samy manao izay hihinanany toa an-dRainimaria sy ny zanany…Asa raha hisy Zafy Albert be dia be mbola ho avy… Ireny ilay antenanina hilaza fampihavanana sy fampitambarana satria efa ao ry Maka Alphonse ka ho hita eo ny tohiny. Nampitambatra (indray) ny fahoriana ka hita etsy sy eroa ny ekipan-dRavalomanana, ny ekipan-dRatsiraka, ny an-dRajoelina, ny an’ny mpitondra ankehitriny. Hita miseho tsara sady matetika ny praiminisitra…Samy hendry sy manan-tsaina ireo…
Ao anaty fahoriana ny firenena izao ka samy maka lesona satria tsy mbola hita ny « odifaty »…ka inona no ifandrafindrafiana ?

Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *