Sport

NY LASA NAMIRATR’I MADAGASIKARA : Mandra-pandrevirevy ny Barea sy ny Maki


Azo atao tsara ny manonofinofy ary tsisy mahadiso an’izany. Raha tsy diso izahay dia ny taranja kanetibe (pétanque) sy ady totohondry boxe française savate ihany no mbola nisy fandraisantsika Malagasy anjara tamy sehatra famaranana fiadiana tompondaka eran-tany. Ny teo amy tontolon’ny taranja iombonana na sport collectif, dia tsy mbola tafakatra tamin’izany isika, afatsy teo amy taranja basketball vehivavy, efa 50 taona mahery lasa izay.

Niteraka robiroby teto Madagasikara tokoa tamin’izany fotoana izany ny nahazoan’ny ekipa nasionaly malagasy ny amboara afrikana taranja basketball zazavavy, ka nitondrany izany « coupe » avolenta izany nody teto Antananarivo. Tany Lomé Togo no niadiana izany ka nahazoantsika voalohany ny tompondakan’i Afrika. Vokatr’izany, dia Madagasikara no solontena afrikana niady izay ho tompondaka eran-tany natao tany Brésil.

Raha tsy diso ny fitadidianay, dia laharana faha 13 /13 tamin’ireo nandray anjara ny Malagasy, izany hoe farany. Tsy nanafoana ny fiderana an’ireo tovovavy zakan’i Gasikara mendrika ireo izany. Tsy nahasakana ny fientanam-pon’ny vahoaka malagasy tsivakivolo koa, fa tena nanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara izy ireo.

Mandalo eto Madagasikara i Raberanto Nicole, iray tamin’ireo nandrafitra ny ekipa nasionaly tany Brésil. Mila ravinahitra atsy Saint-Denis izy, ary hamangy ny zanany any Toulouse. Mitsidika ny mpiray tampo eto an-drenivohitra, ary anisan’ny tonga nanotrona azy ny mpiara-nilalao tany Brésil Rabakoarivelo Achille. Samy nilalao tao amy CASOI izy mirahavavy ireo ka tsy mifankafoy. Isaorana manokana i Nicole nanaiky ny anterivava natao ho an’ny Délire Madagascar.

 

Délire Madagascar : Ambarambarao avokoa Nicole izay tsiahy rehetra tsara ho fantatra.

Raberanto Nicole : « Atomboko amy fitanisana ireo efa nodimandry ho fanajana azy ireo : Eléonore, Jeanine, Clara, Lala. Ny sisa tavela tsaroako dia Olivà, Achille,Fara, Arlette, Josie sy Zety, Lalao Ralaivao. Ny tany Lomé kosa : Norolala Rabarijohn, Yock Line, Lilie-be. Jean Raoelison no entraineur.

Na dia tsy nandray anjara tamy championnat d’Afrique tany Lomé aza aho, dia faly tokoa raha isan’ny voafantina ho any Brésil satria izaho no zandriny indrindra. Ny toetsaina dia hoe ho an’ny Malagasy tokoa, ary ambony be ny moral. Rehefa nahita ny toebatana sy ny aavolentan’ny fahaiza-milalaon’ny mpifaninana tany, dia tsy nidina ambany mihitsy sanatria ny moral, fa dia nimokomoko niezaka nanao izay tratry ny hery. Tsorina fa efa lasa lavitra ny hafa, tsisy mahamenatra ny miteny izany. »3

DM : Ny fahitanao ny mpilalao ankehitriny ?

RN : « Mety misy niveau ny ankizy ankehitriny fa ny motivation no tsy dia misy firy eny anivon’ny tsirairay. Niverina nilalao nanao fialamboly tao amy CASOI aho, dia hitako fa tsy mitovy intsony ny fomba fisainan’ny ankizy. Tsy tena baolina no tadiaviny fa raha tsisy namana hono izy mijery dia tsy hanao baolina. Tena kivy ianao maheno izany, nefa izahay taloha, dia feno anay Imahamasina ilalaovana baolina. Baolina foana, maraina antoandro hariva no anton-draharaha. »

DM : Misy fiteny malagasy malaza : « Vorondolo niteraka voromanga »

RN : « Eny tokoa, saingy tsy nanao basket izy ireo fa mamiratra amy volleyball. Ny zanako lahimatoa, « pro » tany Toulouse, dia efa niova lasy moa izy izao. Ny zanako mianadahy koa atsy La Réunion sélectionnés nanao Jeux des Iles taty Antananarivo ekipa La Réunion.

Irariana amy ny ankizy ankehitriny mba hoe ho an’ny firenena no ilalaovana fa tsy ho an’ny vola, na ho an’ny maillot, na ho an’ny tennis ! »

DM : Ho famaranana ny anterivava Achille ?

Rabakoarivelo Achille : « Tsy mba nisy mari-pankasitrahana noraisina na dia mérite sportif fotsiny ihany aza ho ana-« Mondialistes ». Mety hisy fahatsiarovana anay rehetra ihany angamba rehefa tapitra lasa daholo izahay ! »

Nanangona RAZAKA Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *