Socio-eco

Ny dian’ny mpivahiny : COREE


Mbola ny ilany atsimo atsinanan’ny kaontinanta aziatika ihany no itondrana antsika mpamaky manaraka ny Dian’ny Mpivahiny. Aorian’i Thaïlande dia Corée no hotsidihantsika. Tamy ny andron’ny Repoblika Faharoa rehefa miresaka Corée, dia Corée Avaratra izay. Ankehitriny kosa, dia ny Atsimo no resahana raha Corée no tantaraina.

Corée-du-Sud na République de Corée no nampiantrano ny fivorian’ny COE (Conseil Oecumenique des Eglises) na Filankevitra Ekiomenika ny Fiangonana Eran-tany faha-10 tamy novambira 2013. Anisan’ireo programa nosoritin’ny COE ny DOV (Decade to Overcome Violence) na folo taona andresena ny herisetra. Voatendry hisolotena ny EDAN (Ecumenical Disability Advocacy Network) teo anivon’ny DOV ny mpivahiny. Ny EDAN na Tambazotra Ekiomenika Fandresen-dahatra momba ny zon’ny olona manana fahasembanana, OMF, dia sampanasan’ny COE naorina tany Harare Zimbabwe tamy 2001. Anisan’ireo OMF 13 mianadahy avy amy kaontinanta dimy ny mpivahiny.

Kely be mponina.

99200 km² mahery kely ny velarantany nefa mibaby mponina roa avo heny antsika Malagasy. 46.000.000 mahery. Séoul no renivohitra, ary Busan, izay itondrana antsika no tanàn-dehibe faharoa. Sata repoblikana parlemantera no rafitra itondrana ny tany sy ny fanjakana. Raha lazaina amy teny tokana, dia firenena mandroso Corée. Firenena “industrialisé” Corée ankehitriny raha fambolena sy fiompiana no nahazo laka fahiny. Afaka mifaninana amin’ireo ngezalahy ara-pihariankarena sady mifanakalo ara-barotra amin’ireo rahateo izy. Japon Etazonia, Union européenne, Fanjakana Britanika, Rosia sns.

Fanjakana tranainy.

Raha hasiana teny fohy ny tantaran’i Corée araka ny lovantsofina dia tany amy taonjato fahatelo talohan’i JK no efa nisy fanjakana niorina. Nivadibadika moa ny tantara ka nifandimby nisesy nanafika sy nanjanaka azy ny Sinoa sy ny Japoney. Taty aoriana be, taonjato faha XX, dia nifarimbona nanafaka an’i Corée tambany vahohon’ny Japoney ny Amerikana sy ny Sovietika. Tamy 1948 no nizara roa Corée ho Atsimo sy Avaratra. Tsiahivina fa ny Atsimo notronin’ny Amerikana, ary ny Avaratra teo ambany fiahian’ny Sovietika. Ireo fotokevitra roa nifanipaka ireo no niteraka ady an-trano tany Corée tamy 1950 hatramy 1953, izay nivadika ho “Guerre de Corée”.

Tahaka ny tao Avaratra ihany koa, dia didijadona henjana tsy azo nivalozana no niainana tao Atsimo. Somary nivaha izany geja izany ka nihanalefaka taty amy taona 1970. Ny taona 1980 kosa dia najoro ny demokrasia nanome fahalalahana tsikelikely ny mponina tamy ny alalan’ny fifidianana.

« Dragona ».

Ny fahombiazana sy fahafaham-po nateraky ny fampiantranoana Lalao Olympika tamy 1988 dia niteraka vikina lehibe ho an’i Corée. Niroborobo ny fihariankarena ka ilay Corée nivelona tamy voly sy ompy taloha lasa Corée nampandrosoan’ny indostria vaventy sy mavesatra. Nanjary toy ny anankiray amin’ireo fanjakana amerikana Corée ka nahazo ny anara-petaka ho “Dragon” du Sud-est asiatique. Tsy asian-dresaka ny adilahy nifanaovana taorian’ny fizarana ho roa, satria ny ilany avaratra dia diso fantantsika loatra vokatry ny fifandraisana taminy nandritra ny Repoblika Faharoa (Fotokevitra Djoutché, filoha Kim il Sung mianaka, haiady Kuk soul, toaka misy bibilava…).

(Hitohy)

Razaka Ralphine Manantenasoa


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *