Socio-eco

NTD S.A: Hitombo roa indray ny hotelim-panjakana


Fotoana iray nampahafantaran’ny National Tourism Development (NTD S.A) ny asa iandraketany, ny asa vita tamin’ny taona 2018 ary ny vina ho tanterahina amin’ity 2019 ity ny lanonana fifampiarahabana nahatratry  taona natao teny amin’ny Carlton Anosy ny 15 febroary lasa teo. Orinasam-panjakana misahana ny fitantanana ny hotelim-panjakana eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro,  ny fizahantany maharitra  ary ny fampivoarana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fizahantany  ny NTD S.A. Ny taona 2009 no niforonany.  Araka ny lahateny nataon’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny NTD S.A dia nanamarika ny taona 2018 ny fametrahana ny tale jeneraly vaovao, Narison Richard Boda. Tao anatin’izany no nanavaozana ny fomba fitantanana ireo hotelim-panjakana, ny fampivoarana ny fizahantany maharitra.

Efa miha simba ireo hotelim-panjakana satria tsy ampy ny fikarakarana, hoy ny tale jeneralin’ny NTD S.A. Anisany ezaka ho tanterahan’ny orinasa  amin’ity taona ity noho izany ny fanavaozana ireo hotelim-panjakana. Nomarihiny fa  ao anatin’ny hotelim-panjakana ny Andilana Beach any Nosy Be Hell Ville ary an-dalam-panisàna ireo hotelim-panjakana hafa ny NTD. Fanamby ho tanterahin’ny NTD ihany koa ny fananganana foto-drafitr’asa vaovao. Hotelim-panjakana na “complexe éco-touristique”  miisa roa no hamboarina.  Itopiana ny voalohany  izay ao amin’ny faritra Atsinanana (Canal de Pagalanne). Lovobe kosa  ny faharoa, ao Morondava  (faritra Menabe) no ahitana izany. Samy tany novidian’ny NTD ireo toerana roa hananganana ireo foto-drafitr’asa ireo. Nambaran’i Narison Richard Boda fa tsy handroso ny fizahantany raha tsy misy fampiasam-bola, tsy ampy ny foto-drafitr’asa. Manoloana izany dia ao anatin’ny andraikitr’ity orinasam-panjakana ity  ny fanamorana ny fampiasam-bola eto Madagasikara amin’ny sehatry ny fizahantany.

Lynda A.

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *