Actus

NOVEMBER ROCK X : Hihaona amin’ny mpankafy azy ny RHEG THE GANG


Vao mitsidika ny volana novambra dia tonga ao an-tsain’ny mpakafy ny gadona rock ny tarika RHEG THE GANG. Fanaon’ny tarika isaky ny volana novambra ny mikarakara fampisehoana ho an’ny mpankafy azy . November Rock andiany faha 10 ny  amin’ity taona 2022 ity. Atao eny amin’ny kianja maintso Analamahitsy ny alahady 13 Novambra 2022 amin’ny 1 ora tsy diso. Nanasa ny tarika Apost ny mpikarakara amin’ity November Rock andiany faha 10 ity. Ho fanajana ny mira lenta dia nanasa tarika misy andriambavilanitra ihany koa, dia ny tarika sahedena izany. Aminy folo Ora no hisokatra ny kianja. Ankoatra ny fampisehoana dia afaka misitraka ireo vokatra samy hafa  ny mpijery satri  hisy ny fivarotra ravaka rock, T-shirt November rock. Eo ihany koa ny fisian’ny sakafo maivana azon’ny mpankafy jifaina eny an-toerana mialohan’ny  hiantombohan n’y seho.  Ny Otoprod ihany no manao ny sakafo izay efa mahazatran’ ny mpankafia izay amin’ny y vidiny Antonony sy tsotra rehefa misy liven’ny  Rheg the gang tahaka izao. 10.000 ariary ny vidim-pidirana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *