Socio-eco

Nosy Maorisy : « Protocole » afrikana momba ny fahasembanana


Firenena afrikana maro avy amin’ny SADC sy ny faritra atsinanan’i Afrika no nikaon-doha nanomboka ny 26 hatramin’ny 30 aogositra 2018 tao amin’ny Gold Crest Hotel ao Quatre Bornes nosy Maorisy. Manodidina ny antsoina hoe “Protocole africain” momba ny olona manana fahasembanana no lahadinika vaventy nandaniana ron-doha.

Fikambanana matanjaka maorisiana antsoina hoe EDYCS no nikotrika sy nanomana ary nitantana ny fihaonambe iraisamèpirenena. Misahana ny resaka epilepsie na androbe ny EDYCS ary manasokajy io aretina sy tsy fahatomombanana ara-pahasalamana io ho isan’ny fahasembanana ny Maorisiana. Efa vita rafitra sy novoiizina nanomboka tany amin’ny taona 2015 io “Protocole africain” io, ary efa nandalo teo amin’ny Vaomiera Sosialy “Commission de l’UA” izy io ary nahazo ny fankatoavana avy amin’ny fivoriamben’ny Filoham-pirenena afrikana tamin’ny janvier 2018. Anjaran’ny firenena tsirairay avy sisa no manao ny fankatoavana azy ka mandamina izay fomba hanatanterahana izany, hatrany amin’ny fandaniana azy ho Lalàna velona (ratification).

Anisan’ny voaasa nandray anjara tamin’io fihaonambe iraisam-pirenena io Madagasikara tamin’ny alalan-dRtoa Manantenasoa Ralphine Razaka, Talen’ny Olona manana fahasembanana sy ny Zokiolona anivon’ny Minisiteran’ny Mponina, sady Filohan’ny Federasionan’ny Vehivavy manana fahasembanana Madagasikara.

Ony RAMBELO

 


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *