Socio-eco

NOELY MIZARA HAFALIANA 2022: Mpianatry ny EPP 4000 mahery nahazo kilalao avy amin’ny kaominina Alasora


Feno telo taona amin’ity taona 2022 ity ny « noely mizara hafaliana ». Hetsika ara-sosialy entin’ny  kaominina Alasora hampifaliana ireo ankizy mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) noho ny fetin’ny noely izany.  Mpianatra maherin’ny 4000 no nahazo kilalao avy amin’ny Ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ny 22 desambra 2022. « Toy ny isan-taona, mpanolontsainan’ny kaominina sy ny Ben’ny tanàna dia manana tetikasa antsoina hoe: noely mizara hafaliana. Mandray ny fahatelo taonany ny tetikasa amin’ity taona 2022 ity. Noely no resahana dia ny ankizy no ampifaliana », hoy Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora. Nambarany fa mizara roa ny tetikasa. Ny voalohany ny fametrahana  » village de noël » eo anoloan’ny biraon’ny kaominina.  Natao hampifaliana ny « fianakaviana miaraka amin’ny zanany » io toerana nampihaingoana tamin’ny alalan’ny kojakoja mifanaraka amin’ny fetin’ny noely io. Noravahana jirokely hahafinaritra ny maso rehefa alina ihany koa. Fizarana kilalao ho an’ny ankizy mianatra eny amin’ny EPP kosa ny faharoa.  » Ankizy sahirana ny ankamaroan’ny mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Tsy manana fahafahana mividy kilalao ho an’ny zanany ireo Ray aman-dreny. Noraisin’ny kaominina andraikitra ny fanomezana  fifaliana kely ho azy ireo », hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Tsara ho fatantra fa nalaina avy amin’ny kitapombolan’ny kaominina ny vola nanaovana ny asa sosialy « noely mizara hafaliana ».

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *