Socio-eco

NM EVENT’S: Mikaroka sehatra hivelaran’ireo tanora tsy an’asa ao Ambohitrimanjaka


Manana tanora marobe ny kaominina Ambohitrimanjaka araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriamanalintsoa Ihajasoa Zazah.  Nambarany fa tsy maharaka ny tolotra sy tinady amin’ny sehatry ny asa ka tombony lehibe ho azy ireo ny fisian’ny  hetsika tahaka ity « salon de l’étudiant et insertion professionnelle » ity  ho fanampiana azy  ireo hanangana ny orinasany manokana. Ny tontolo andron’ny 08 janoary 2021 tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina no nanatanterahana ity hetsika ity ary ny NM Event’s no nikarakara izany, teo amin’ny ambany fiahian’ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rabenirina Mamy sy  Rakotoarisoa Johnny ary noho ny fanohanana avy amin’ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohitrimanjaka.  « Ny tanora tety Ambohitrimanjaka no nitaky fisian’izao hetsika izao. Maro ihany koa ny tanora eto Ambohitrimanjaka no ao anatin’izany fampianarana izany, maro no afaka bakalorea.  Misy ny hetsika marobe ao Antananarivo, misy ireo tanora tsy manana enti-manana, tsy mahafantatra ny fisian’izany hetsika izany. Koa maninona raha aty amin’ny tontolo ambanivohitra indray no hisian’ny hetsika fa tsy mijanona ao an-drenivohitra ao ihany”, hoy Rasoamanantany Natacha Vololonirina, tale mpananatanteraky ny NM Event’s.

Fanomanana ny ho avy

Oniveriste sy ivon-toeram-pampiofanana am-polony no nandray anjara tamin’ izany. Nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra toy ny  fomba handresena lahatra ny mpitady mpiasa amin’ny alalan’ny “lettre de motivation”, ny  “curriculum vitae” na CV; inona tiako atao… inona avy ny lalana tokony hizorako?  Nambaran’ny tale sady mpandrindra  ny hetsika ao amin’ny NM Events, Andriamamonjy Mihasintsoa Ariniaina fa araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia maro ny tanora no tsy an’asa kanefa maniry ny hiasa. “Anisany hanampiana azy ireo ity hetsika ity. Eo ihany koa ny hoe ho fampivoarana ny kaominina Ambohitrimanjaka  amin’ny lafiny rehetra. Hanampiana tanora mba hanana vina amin’ny ho aviny”, hoy izy.

Nirina R.


One comment on “NM EVENT’S: Mikaroka sehatra hivelaran’ireo tanora tsy an’asa ao Ambohitrimanjaka

  1. Pingback: NM EVENT’S: Mikaroka sehatra hivelaran’ireo tanora tsy an’asa ao Ambohitrimanjaka - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *