Socio-eco

NID DESIGN: Mikarakara hetsika hampihaonana ny orinasa sy ny mpitady asa


Marobe ny orinasa mitady mpiasa, marobe ihany koa ny mpitady asa kanefa tsy mahita. Noho fiarahamiasa amin’ny DCTP (Développement des Compétences Techniques et Professionnelles), manampy amin’ny fanoroana lalana ny tanora sy fampidirana azy amin’ny sehatry asa dia nanapa-kevitra ny Nid Design fa hikarakara hetsika mitondra ny lohateny hoe: « Promotion de l’emploi dans la ville des milles ». Tontosaina ny 22 sy ny 23 novambra 2019 ho avy izao eny amin’ny Infinithé Ivandry ity hetsika natokana ho an’ny tontolon’ny asa ity.

Lohahevitra efatra mifameno sy manaraka filan’ny asa eto Madagasikara no hita mandritra ny fampirantiana sy ny famelabelaran-kavitra, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Ao anatin’izany ny fitadiavana asa, fampiofanana, fandraharahana, tontolon’ny nomerika. Nambaran’ny tale mpiombona antoka avy ao amin’ny Nid Design, Rasolofondrazanaka Felatatamo fa hampihaonana ny orinasa sy mpitady asa, hanitarana fiarahamiasa eo amin’ny samy orinasa ity hetsika andiany voalohany ity. Eo ihany koa ny fampidirana ny tanora amin’ny sehatry ny asa. « 15.000 ny mpitsidika handrasana mandritra ny roa andro ka irianay ny hahazoan’izy ireo asa, hahitan’izy ireo mpamatsy vola hampandehanana ny tetikasany ary hahitan’izy ireo fiofanana mifandraika aminy », hoy izy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *