Socio-eco

NATIONAL TOURISM DEVELOPMENT: 10 taona nikarohana ny mahasoa ny fizahantany


Mankalaza ny faha-10 taonany ny NTD (National Tourism Development). Nomarihana tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana sy fampirantiana ny zava-bita tao anatin’izay fotoana izay, teny amin’ny foibeny Antaninandro androany 23 oktobra 2019 ny fankalazana. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny NTD S.A, Rabeson Tokiaritefy fa nanamarika ny folo taona nisian’ity orinasam-panjakana ity ny fananany toeram-piasana, ny fahazoany tany hanamboarana foto-drafitr’asa ahafahana miara-miasa amin’ny mpandraharaha hananganana orinasa fandraisam-bahiny amin’ny fizahantany. Amin’ny maha orinasam-panjakana misahana ny fampivoarana ny fizahantany lovainjafy ny NTD dia anisan’ireo zava-bita notanisaina nandritra ny fankalazana  ny fikarakarana ny fifaninanana ho an’ireo mpanao asa tanana mendrika indrindra, natao nandritra ny “festival des baleines” tany Sainte-Marie. Zava-kendren’ny fifaninanana ny fanomezana lanja asa tanana malagasy. Nampahafantarina tao anatin’ny lanonam-pankalazana ihany koa ny horonantsary “ecoboy”, mampiseho ny fomba tsara hampivoarana ny fizahantany lovainjafy; ny torolalana momba ny famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa amin’ny sehatry ny fizahantany.

Ankoatra izany, iraka lehibe sahanin’ny NTD ny fitantanana ny hotelim-panjakana. Nambaran’ny Tale Jeneraly, Boda Richard fa mbola anankiray ihany ny hotelim-panjakana tantanin’ny NTD dia ny Andilana Beach Nosy Be saingy efa misy ny fiarahamiasa amin’ny ministeran’ny fitaterana, ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr’andro ny hamaritana ny lisitr’ireo hotelim-panjakana hafa sy ny hanitarana izany.  Nohamafisin’ny Tale Jeneraly fa mandray anjara amin’ny famporisihana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny fizahantany ny orinasa.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *