Socio-eco

Nahazo ny famatsiana 20 000 000 Ar avy amin’ny Kopakelatra ny Crédit Carat


Tao aorian’ny fifidianana nandritra ny roa herinandro tamin’ny pejy Facebook Kopakelatra dia natrehin’ny mpanao gazety ny talata 08 septambra teny amin’ny foiben’ny STAR ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa mpandresy. Mihoatra ny 800 000 ny isan’ny kaonty facebook nahita ny fifidianana raha toa ka mihoatra ny 57 000 kosa ny fitambaran’ireo nifidy sy nizara ny fifidianana tao amin’ny Facebook nanomboka ny 25 Aogositra, andro nanombohana ny fifidianana. Teo anatrehan’ny fanaraha-mason’ny Commissaire au jeux no namoahana ny vokatra ofisialy. Araka izany dia ny Crédit Carat no nahazo ny famatsiam-bola 20 000 000 ariary sy fiofanana ao amin’ny Nexta ho fanatanterahana ny tetikasany. Raha tsiahivina, ny tetikasa Crédit Carat dia dia manolotra rafitra hahafahana manakalo tavoahangy plastika ho lasa « crédit carat » afaka ampiasaina toy ny vola. Ny tetikasa Andao Company, izay mitana ny laharana faharoa kosa, dia misehatra amin’ny fanodinana ireo tavoahangy plastika ho lasa fanaka voaodina. Izy ireo ihany koa dia hisitraka fiofanana ho fanohanana ny tetikasany. Heritaona izay no nisian’ny Kopakelatra, heritaona nafahan’ny olona nizatra nanatitra ny tavoahangy plastika teny amin’ny toeram-panangonana Kopakelatra ho fiarovana ny tontolo iainana. mihoatra ny roa taonina ny tavoahangy plastika no voangona tao anatin’izany. Ny fanantanterahina ny tetikasa Crédit Carat dia fitaratra sy fanentanana ny tetikasa hafa miaro ny tontolo iainana. KOPAKELATRA, andao hifandray tanana, hitandro ny fahadiovana.


One comment on “Nahazo ny famatsiana 20 000 000 Ar avy amin’ny Kopakelatra ny Crédit Carat

  1. Pingback: Nahazo ny famatsiana 20 000 000 Ar avy amin’ny Kopakelatra ny Crédit Carat - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *