Socio-eco

MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony


Mamaly avy hatrany ny filàn’ny mponina. Ny tetikasa FIAM ( Fivoarana ifotony ao anatin’ny mangarahara) izay iarahan’ny kaominina Ampitatafika sy ny Alakamisy Fenoarivo miaraka amin’ny tantsoroky ny fikambanana MSIS Tatao no voasafidy hahazo famatsiam-bola natokana ho an’ny vondrona itsinjaram-pahefana avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Andrianaivo Rakotobe Jean Christian Irené - ben'ny tanana kaominina alakamisy fenoarivoMitentina 450.000 euros io famatsiambola io. Notanterahana ny 23 oktobra 2020 ny fitokanana ireo foto-drafitr’asa tanteraka nandritra ny tetikasa toy ny tsena sy lalana Ankaditany-Avarajozoro ao amin’ny kaominina Ampitatafika. Raha ho an’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo indray dia ny tahala ao amin’ny tsenan’ny Alakamisy Fenoarivo, ny fantsona  sy ny lakan-drano fanarian-drano fanarian’ny mpivarotra rano maloto, efitrano-tsekoly  efatra ao amin’ny CEG ary lalana mirefy 770 metatra.  “Manao antso avo aho fa ny dabilio no tena olana ety, be dia be ny simba, ny efin-trano fianarana mitombo”, hoy ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, Andrianaivo Rakotobe Jean Christian Irené.  Mitentina 60 tapitrisa Ariary ny tetibidin’ireo efitranon-tsekoly ary 80 tapitrisa Ariary ny  lalana, araka ny fanazavany. Nambarany ihany koa fa 5 %  ny vola nampiasaina ny fandraisana anjaran’ny kaominina ary nohamafisiny fa ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony no mampandroso ny haingana ny tanàna.

Raisin’ny olona am-po

« Araka fanazavan’ny Ambasadaorin’ny Vondrona Eraopeanina teo fa tsy nomena ilay vola fa nisy fifaninanana natao, appel à proposition, nisy fifanatonana teo amin’ny Msis Tatao sy kaominina Ampitatafika sy Alakamisy Fenoarivo  ka nanolotra tetikasa iray. Tetikasa amam-polony no nifaninana. Andriamoraniaina Harijaona - MSIS TATAONy fiarahamiasa matotra no nahatonga voafidy », hoy i Andriamoraniaina Harijaona, tale mpanatanteraky ny Msis Tatao. Nambarany fa tanjon’ny tetikasa FIAM ny fanatsarana ny fiainan’ny olona eny ifotony amin’ny alalan’ny fametrahana foto-drafitr’asa hamaliana ny filàna ara-ekonomika, ohatra ny fanamboarana ny tsena sy ny manodidina ny tsena na ihany koa fanokafana lalana ahafahan’ny olona mivezivezy mamoaka ny vokatra ary ihany koa mampisitraka ny filàna ara-tsosialy indrindra ny fanatsarana ny fampianarana, ny fahasalamana, ny rano fisotro madio . « Ao anatin’izay tetikasa izay, napetraka ho vain-dohan-draharaha ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena sy ny fametrahana ny mangarahara hatrany amin’ny fomba fieritreretana sy fanatanterahana ny tetikasa ka hatrany amin’ny fanjohiana ny fanatanterahana ny tetikasa ary irariana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fikojakojana ireo tetikasa tanteraka eny anivon’ny kaominina », hoy izy. Rehefa mampandray anjara ny olom-pirenena ny fitondrana indrindra eto ifotony, ety amin’ny kaominina dia mamaly hatrany ny filàny olona ety ifotony ny foto-drafitr’asa tanteraka ary tena raisin’ny olona am-po izany ary tonga dia mandray anjara amin’ny fikojakojana sy fiarovana ireo foto-drafitr’asa tanteraka izy ireo. Amin’ny  taona ho avy ny Msis Tatao dia hiezaka hanitatra ny fomba fiasa, hametraka ny mangarahara amina kaominina 40 eto Madagasikara, mampiakatra ny fahaiza-manaon’ny kaominina ary ahafahan’izy ireo misitraka tetikasa tahaka izao.

Lynda A.


One comment on “MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony

  1. Pingback: MSIS TATAO- KAOMININA ALAKAMISY FENOARIVO: Lakilen’ny fampandrosoana ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *