politique

MPIKATSAKA TOMBONTSOA: Manatevi-daharana ny MA.M.A


Hiaro ny zon’ny tsirairay, hanabe sy hitaona ny Malagasy ho samy handray andraikitra tandrify azy ny fikambanana MA.M.A na “Malagasy Mandray Andraikitra”. Ny 18 mey 2018 no nitsangana ara-panjakana ny fikambanana. Christian Rakotozanany no filoha mpitarika. Eto Antananarivo ny foiben-toerany fa misandrahaka manerana ny Nosy. “Hanomboka hidina ifotony ny fikambanana raha misy tsindry hazo lena mianjady amin’ny vahoaka Malagasy”, hoy ny filohan’ny MA.M.A.
Hiaro ny harem-pirenena voajanahary ambany sy ambony ary ao anaty rano tsy ho robain’ny olom-bitsy sy ny vahiny, hikajy ny tontolo iainana ho lovain-jafy, hitandro ny fihavanana sy ny soatoavina ary ny kolontsaina izay mampiavaka sy mampirindra ny fiarahamonina Malagasy, hamoha indray ny afom- pitiavan-tanindrazana ao anatin’ny fon’ny Malagasy tsirairay ny fikambanana MA.M.A. Noho izany, miantso ary manainga ny Malagasy tsy vaky volo miombon-kevitra aminy ny fikambanana ho fampandrosoana an’i Madagasikara. Nilaza ny mpitondra tenin’i MA.M.A fa miantso an’i Andry Rajoelina ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mipoipoitra avokoa ity fikambanana rehetra ity amin’izao fifidianana izao. Ho tanteraka tokoa ve ireo tanjona tian’izy ireo ho tratrarina raha tokoa ka tsy lany ho filoham-pirenena ny kandida tohanany?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *