Socio-eco

MPIASAN’NY MINISTERAN’NY MPONINA: Nilaozan-tsakaiza


« Tsy latsaky ny in-dimy no nangataka fihaonana tamin’ny ministra izahay fa tsy nisy valiny izany. Fotoana farany nialohan’izao hetsika izao, mbola nangataka fifampiresahana saingy nilaza ny sekretera jeneraly fa tsy manana fotoana hiresahana amin’ny mpiasa ny ministra fa manomana ny diany any an-dafy”, hoy ny filoha lefitry ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny mponina, Toky Razafimamonjy. Nitokona teo anoloan’ny ministeran’ny mponina ireto mpiasa ireto omaly 13 desambra 2018. Nilanja sora-baventy izy ireo ary voasoratra ao anatin’izany ny fitakian’izy ireo. Mbola nohamafisin’ny filoha lefitry sendika am-bava izany fa tsy manaiky ny fanaovana “affectation”  an’ireo ECD (emploi  de courte durée), tsy manaiky ny fanaovana fitaovana politika ny ministera, tsy manaiky ny fanesorana ireo ECD miisa valo, tsy manaiky ny fanaovana tantely afa-drakotra ny volan’ny ministera izy ireo. Ankoatra izany,  ao anatin’ny fitakian’ny sendikan’ny mpiasa ihany koa famerenana fitantanam-bola isaky ny sampandraharaha tsirairay  avy. Nomarihin’izy ireo fa hetsika tsy misy hidiran’ny politika izao. “Arakaraky ny valin-tenin’ny ministra sy ny mpiara-miasa aminy ny fitohizan’ny hetsika”, hoy hatrany i Toky Razafimamonjy. Tsiahivina fa anisany nitaky ny fanovàna niaraka tamin’ireo solombavambahoaka TIM sy MAPAR ny ankamaroan’ireto mpiasa ireto ary solombavambahoaka MAPAR ihany ny ministry ny mponina amin’izao fotoana izao. Ity vao tonga amin’ny fitenenana hoe: « zaza nilaozan-tsakaiza ka nilalao vovoka irery ».

Lynda A.


One comment on “MPIASAN’NY MINISTERAN’NY MPONINA: Nilaozan-tsakaiza

  1. Pingback: MPIASAN’NY MINISTERAN’NY MPONINA: Nilaozan-tsakaiza - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *